Politique

Marc Ravalomanana Gadraina any Afrika Atsimo !


  • Alarobia 17 Septambra 2014

Tsy mbola nahazo ny pasipaorony hatramin’izao ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, tsy handrenesam-baovao momba io pasipaoro io intsony ihany koa ny minisiteran’ny raharaham-bahiny etsy Anosy.

Nogiazan’ny fanjakana

Ny volana aprily tamin’ity taona ity no efa lany daty ilay pasipaoro, nentina teto Madagasikara mba hohavaozina. Nihitsoka ao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny anefa ilay izy fa hoe mbola miandry sonia, hono. Nihaona tany Afrika Atsimo ny filoha Rajaonarimampianina sy Atoa Ravalomanana ny sabotsy 24 mey, ary azo antoka fa voaresaka tao ny momba ny fodian’i Dada an-tanindrazana. Iray volana taty aoriana, anisan’ireo nahazo fanasana hanatrika ny matso lehibe teo Mahamasina ny 26 jona ity filoham-pirenena ity saingy tsy afaka nankaty Madagasikara satria sady tsy manana pasipaoro no tsy nomen’ny fitondrana Malagasy fahazoan-dalana manokana hiditra eto. Raha nivory tany Zimbaboe tamin’ny volana aogositra ny SADC dia mbola nanamafy ny famelana malalaka ireo sesitany politika mba hody an-tanindrazana.

Politika avo lenta

Hatreto anefa dia nijanona ho resaka ambony latabatra sy anaty taratasy fotsiny izany rehetra izany fa tsy mbola mety tafiditra eto Madagasikara i Marc Ravalomanana, izay raha namoaka hevitra farany dia nanomboka efa nanakiana mafy ny fitondrana Rajaonarimampianina. Maro ny mpandinika ny raharaha politika fa raha mbola azon’izao fitondrana izao atao dia avelany mihitsoka any Afrika atsimo ihany aloha ity filoha teo aloha ity. Efa mibaribary rahateo ny dian-tanan’i Lafrantsa amin’ity resaka Ravalomanana tsy mety tafody eto Madagasikara ity. Misy ny milaza fa politika avo lenta iraisam-pirenena mihitsy izao endrika fanagadrana an-kolaka an’i Marc Ravalomanana any Afrika Atsimo izao, satria tena tsy afaka mivoaka io firenena io intsony mihitsy izy. Ara-politika dia tsy ao anatin’izao fotoana mafampana eto amin’ny firenena izao no hanaiky ny hodian’i Dada eto ny fitondram-panjakana. Tsy hamono tena hamela azy ho tonga eto mialoha ny fifidianana koa anefa izy ireo satria mahafantatra tsara fa i Marc Ravalomanana no olona mahafeno ny fepetra ho filohan’ny mpanohitra eto ary ho sarotra ny hifehy azy raha tonga eo amin’izay toerana izay izy, ary dia ho potika any anatin’izay fifidianana rehetra atao ny HVM. Hanahirana ihany koa ny hoe tonga eto ity filoha teo aloha ity dia hosamborina ary hotsaraina, dia ampidirina eny Antanimora na Tsiafahy. Izay no mety nahatonga ny tetika hoe : aleo izy tsy omena pasipaoro dia mijanona any Afrika Atsimo dia ahitsoka any mihitsy aloha ka dia any no atao fonja hihazonana azy lavitr’ireo mpanohana azy maro be eto Madagasikara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT