Mbola ao amin’ny Amirauté any Antsiranana ny filoha Marc Ravalomanana.
Folo andro katroka, hiditra amin’ny faha-11 andro izao no nigiazan’ny fanjakana azy ao amin’ity toby miaramila an-dranomasina ity, taorian’ny nisamborana azy tamin-kery teo anatrehan’ny fianakaviany tao an-trano fonenany teny Faravohitra ny tolakandron’ny alatsinainy 13 oktobra 2014. Salama ny filoha Marc Ravalomanana. Mitaiza vatana amin’ny alalan’ny fanaovana fanatanjahantena tsy tapaka izy. Misy ny fiheverana ny hamerenana azy tsy ho ela aty Antananarivo, hanombohana ny dinika hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.