Politique

Marc Ravalomanana Filoha hany mahay manetry tena


  • Sabotsy 27 Oktobra 2018

Tsotra sy mahitsy i Marc Ravalomanana, ary afaka mifandray sy miaina miaraka amin’ny Malagasy rehetra na inona na inona sokajiny sy faripiainany.

 

Toerana 246 no notsidihany hatramin’ny niverenany avy any an-tsesitany ny taona 2014, ka na an-drenivohitra na ambanivohitra babony, ary afaka mamondrona ny Malagasy rehetra izy. Na ireo ekipa miaraka aminy ao anaty fanatontosana ny fampielezan-kevitra aza, dia efa endriky ny fampihavanam-pirenena satria misy mihitsy no hoe mpifanandrina ara-politika taminy fony teo amin’ny fitondrana, ary nisy ny tamin’ireny raharaha 2002 ireny. Nandray lesona tamin’ny tantara ary afaka manitsy ny tenany ary efa nifona tamin’ny Malagasy tamin’izay mety ho lesoka sy zavatra heverin’ny olona fa tsy nety nataony izy, ary efa nanao velirano fa ny andro sisa hiainany dia hatokany hanasoavana ny firenena sy ny vahoaka Malagasy. Mahitsy sy hentitra amin’ny fitantanana ny firenena, ary ambenti-teniny ny hoe: tsy hananan-kavana io. Nipetraka ny tany tan-dalàna ary ny lamina ny tany sy ny fanjakana fony nitondra ny firenena izy, saingy natao fitaovana sy novoizina ny hoe: mpanao didy jadona i Marc Ravalomanana. Afaka mandray lesona amin’ny tantara isika hoe nitondra nankaiza ny gaboraraka ? Simba ny toe-tsaina sy ny toe-panahin’ny Malagasy, ary ankoatra ny fanarenana ara-toekarena dia tena adidy goavana ny fanarenana ara-toetsaina. Tsaroana tsara tamin’ny androny ny fanofanana ireo ben’ny tanàna sy sefom-pokontany mpitondra isan’ambaratongany mba hahafahana mametraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy manakaiky vahoaka, ary ezahina hapetraka sy hatsaraina rehefa tonga filoha izy mba hipaka tsara any amin’ny vahoaka ny fampandrosoana.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT