Efa-bolana katroka anio no nahatongavan’i Marc Ravalomanana teto Madagasikara raha raisina ny 13 oktobra fotoana voalohany nisehoany vahoaka teny Faravohitra.
Notazonina tany amin’ny Amirauté Antsiranana izy nandritra ny roa volana, navoaka kosa rehefa nanomboka ny fihaonana an-tampony tamin’ireo filoha 5 mirahalahy teny Ivato ny 19 desambra 2014, naverina tany Antsiranana ary avy eo dia afaka nody teny Faravohitra mialoha ny krismasy.
Mistery hatreto…
Nangina tsy nandrenesam-peo momba ny fiainam-pirenena sy ny raharaha politika ity filoha teo aloha ity ary fantatra fa tsy mbola mahazo miteny na maneho hevitra izy hatramin’izao. Mbola mila fahazoan-dalana manokana ihany koa raha hivoaka ny trano, tsy mbola afaka mivoaka mamonjy fihaonana na fivoriana ankoatra ny karakarain’ny FFKM ao anatin’ny fampihavanana na handeha hivavaka ny alahady izy. Voafetra ihany ireo olona afaka mihaona sy miresaka aminy. Fehiny, tahaka ny mbola migadra ihany i Marc Ravalomanana satria voatohintohina ny zony hivezivezy an-kalalahana sy haneho hevitra. Mampanontany tena ny rehetra ny hoe : fa inona marina no atahorana amin-dRavalomanana ka handrarana azy tsy hiteny ? Nahoana ihany koa no ferana ny fahafahany mivoaka sy miresaka aman’olona ? Fa miteraka adihevitra be etsy sy eroa ihany koa ny hoe tena misy marina ve ny mikasa ny hamono hahafaty ity filoha teo aloha ity, araka ny siosion-dresaka re tamin’izy vao tafaverina teto ? Manam-baovao momba izany ve ny fanjakana ? Etsy an-kilan’izay dia mahaliana ny rehetra ihany koa ny hahafantatra izay votoatin’ny fanadihadiana natao tany Afrika atsimo sy teto Madagasikara momba ny fomba nahafahan’i Dada niditra teto…Tena izy irery marina ve no niketrika ny fiverenany sa nisy nanampy azy ? Raha eny, iza avy ireo olona ireo ? Adidin’ny fitondram-panjakana malagasy ny mampahafantatra ny tena marina. Sa ve efa nisy ny fifanarahana mialoha fa mba fombafomba fotsiny ilay hoe nanadihady ?
Mbola matanjaka
Ny olon-drehetra toa mahazo mivezivezy araka izay tiany fa nahoana no ferana ny fahafaha-mihetsika sy miteny ho an’ny filoha Ravalomanana ? Inona no tena atahorana na ahiana aminy. Ny azo antoka aloha, hoy ny mpanara-baovao sasany dia mpifanandrina politika matanjaka ho an’i Hery Rajaonarimampianina i Marc Ravalomanana, ary anisan’ireo mbola tsara toerana amin’ny fifidianana 2018. Ka izay ve no mety ho anton’izao fanakantsakanana azy izao ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.