Politique

Marc Ravalomanana Eny Faravohitra mifankahita !


  • Alatsinainy 13 Oktobra 2014

Efa tena antomotra ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Fantatra teny amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy lasa teo fa matanjaka ny fandresen-dahatra ataon’ny zanak’i Dada sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy manerana izao tontolo izao. Ny fikambanana iraisam-pirenena sy ny firenen-dehibe tahaka an’i Etazonia sy Frantsa dia efa manaiky ny hiverenan’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara.

Manaiky ny fodian’i Dada ny sehatra iraisam-pirenena

Hoy indrindra ity filoha teo aloha ity raha nitafa mivantana an-telefaonina tamin’ny mpomba azy tetsy Behoririka izy : « misaotra an’Andriamanitra isika fa nizotra soa aman-tsara ny asa natao tamin’iny herinandro iny, ny fivoriana izay natrehina  na tany Eoropa, na taty Afrika, na tany Amerika. Tsy maintsy natao araka izay azo atao ny fandresehan-dahatra maneran-tany  amin’ny fodian’i Dada. Nisy ny zanak’i Dada nandeha tany Bruxelles, niresaka tamin’ny ACP sy ny vondrona Eoropeana, ary nandalo tao Paris nanontany ny hevitry ny vazaha. Tena tsy misakana izahay hoy izy ireo.Notetezina ihany koa ireo firenena Sadc, ka amin’izy ireo dia efa tokony ela be izy no tokony tafody any  Madagasikara satria izay no nifanarahana tamin’ny Ni…Ni,  nefa mahagaga anay fa mbola aty Afrika foana izy » .Tany Maorisy  kosa dia nanambara Atoa Paul Bérenger izay ho lasa praiminisitra amin’ny volana ho avy io, fa  tsy misy zavatra milamina any Madagasikara raha tsy tonga any i Marc Ravalomanana.  Mazava koa ny tenin’ny  Amerikanina : « tsy misy adihevitra  fa mody amin’izay ianao ». 

Mila fitandremana…

 Izaho no nandrindra ireo olona nirahako ireo , hoy Atoa Ravalomanana ka ny zanak’i Dada nandeha tany Bruxelles ary izaho kosa tany Tanzania niresaka tamin’ny prezida Jakaya Mrisho Kikwete ka hoy izy tamiko :  « aza matahotra ianao fa tsy maintsy tafaverina satria tafaresaka tamin’ireo mpitondra tany Zimbabwe sy New York aho, ka nilaza ireo omeo fotoana kely izahay, ka fotoana inona no omena fa avelao izy hody, izany hono ny valiny ». Nanamarika tsara koa anefa ity filoha teo aloha ity fa tahaka ny misy zavatra ifandrombahana na hifaninanana izany ny fampodiana azy eto Madagasikara. Mety misy zavatra takalony ny fahatongavako any , na tena voninahitra lehibe, hoy izy  ka samy milaza izany daholo na ny Amerikana, na ny Tanzaniana. Mazava amiko ny tanjona tian-dry  zareo kendrena ka tsy maintsy mandinika tsara aho, hoy i Dada.Tsy maintsy mitandrina isika,jerena ambony jerena ambany ny fodian’i  Dada any Madagasikara hoy i Marc Ravalomanana ary rehefa tonga any aho, tsy ho ela dia manana zavatra maro be resahana aminareo indrindra ny mpanao gazety. Miomana ihany koa ianareo, hoy hatrany izy  fa zavatra telo no noresahan’i Prezida Kikwete tamiko dia : voalohany ny pasipaoro , faharoa ny filaminana, ary ny fahatelo ny resaka fitaterana amin’ny fomba hodian’i Dada. Hoy aho taminy : « tsy te hahalala izany aho fa tsy maintsy tonga any Faravohitra any amin’ny tranoko ». Mandeha ny resaka etsy sy eroa, mandeha ny fampitahorana ka aza taitra na mihontsona amin’ireny ianareo fa izay zavatra omen’i Dada ihany arahana, izay no izy. Manantena aho fa tsy ho ela dia hihaona isika, hoy i Dada ny sabotsy teo ary manantena aho fa ao tsara ny fahavononanareo, ny fahatoniana.Manantena isika fa homba antsika mandrakariva Andriamanitra

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT