Na dia teo aza ny firotsahan’ny orana teto an-drenivohitra dia tsy nijanona ny hetsiky ny vahoaka mpomba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teny amin’ny Magro Behoririka
Ny sabotsy lasa teo dia nanambara Atoa Rakotomandimby Zafilahy Stanislas fa ny zavatra nitranga tato ho ato dia nataon’Andriamanitra nieritreritra lalina ny mpitondra ny amin’io any Morondava io. Noho izany dia mbola miteny izahay fa tsy tara ny fotoana hahafahana miaiky heloka, hahafahana mihavana, hoy izy. Nanao antso ny ankolafy Ravalomanana, raha ny firenena lehibe toa an’i Etazonina no milaza fa tokony hiaraka hiasa amin’ny filoha Ravalomanana ny mpitondra dia tokony hotanterahan’ny mpitondra izany. Matoky anareo mpitondra izahay fa handray ny andraikitra ianareo ka tsy ho tara ny krismasy ny fampihavanana fa ho vita mialoha izany mba hahatsapan’ny Malagasy fa ny fampihavanana no hany lalana tokana hivoahana amin’ny krizy ary hiverina eny Faravohitra ny filoha Ravalomanana alohan’ny krismasy 2014. Teny atsipy ho an’ny manam-panahy izany ary izahay mamerina hatrany fa tsy manongana no hainay fa ny manangana ny firenena, hoy Zafilahy Stanislas namarana ny teniny. Re moa fa efa misy ihany ao ambonimbony ao ny adihevitra momba ny filoha teo aloha Ravalomanana, misy ireo mpitondra ambony resy lahatra fa tokony havotsotra ity filoha teo aloha ity ka avela handray anjara malalaka amin’ny dinika fampihavanana sy ny fanarenana ny firenena. Misy kosa anefa ireo tena mitsivilana tanteraka amin’izany ary mihevitra fa tokony hogadraina any am-ponja mihitsy aza ingahy Marc Ravalomanana. Ireto manampahefana sokajy faharoa ireto no tompon-kevitra tamin’ny fisamborana azy ny 13 oktobra teny Faravohitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.