Politique

Marc Ravalomanana Enin-dahy no manao famotorana azy


  • Zoma 31 Oktobra 2014

Mihazakazaka ny toe-draharaha ! Fantatra izao fa atao famotorana any Antsiranana ny filoha Marc Ravalomanana. Mbola manodidina ny fiverenany “an-tsokosoko” teto Madagasikara, araka ny fanoritan’ny fiadidiana ny Repoblika azy no antony

. Mpanao famotorana enin-dahy no nirahina hanatanteraka izany any Antsiranana. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny famotorana dia mitaky ny filoha Ravalomanana fa tsy maintsy atrehin’ny mpisolovava azy ny famotorana atao aminy. Zony feno tanteraka rahateo izany. Nampandrenesin’ny teo anivon’ny prezidansa sy ny sampana mikaroka ny heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam-pirenena momba an’io famotorana hatao amin’i Marc Ravalomanana io, i Me Randrianarivelo Désiré, mpisolovava azy, ary ity farany no nampahafantatra ny fianakaviana Ravalomanana momba io raharaha io, omaly hariva. Araka izany dia mbola eto an-drenivohitra ny mpisolovava ny filoha Marc Ravalomanana, manomana ny mety handehanany any Antsiranana na hangataka ny hampakarana an’Atoa Marc Ravalomanana aty Antananarivo ary aty no atao ny famotorana azy. Etsy an-kilan’izany dia fantatra koa izao fa misy tandapa tamin’ny andron’ny tetezamita, anisan’ireo mahery fihetsika ary tena nanenjika mafy ny filoha Marc Ravalomanana, tonga any Antsiranana hatry ny omaly. Hanao inona any ? Hanetsika Foroches ?

Hitsefotra ny fihavanam-pirenena

Fifanandrifian-javatra fotsiny ihany koa sa tena misy ifandraisany ? Mitranga mantsy izany rehetra izany taorian’ny resaka mitokana nifanaovan’ny Talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Rabary-Njaka Henry sy ny ambasadaoro frantsay eto Madagasikara, François Goldblatt, ny alarobia teo, nandritra ny fetin’i Torkia. Ninoninona anefa fanazavana dia mibaribary ny tian’ny mpitondra fanjakana hahatongavana dia ny handentika sy hanameloka an’i Marc Ravalomanana ho nahavita heloka bevava, manohintohina ny fiandrianam-pirenena... Efa novoizin’ny mpomba ny fitondrana mialoha mantsy hatramin’ny nahatongavan’ny filoha Ravalomanana teto fa dia miandry an’ity farany ny sazy faran’izay henjana, dia ny fanamelohana ho faty na fanaovana asa an-terivozona mandrapahafaty satria tany tan-dalàna i Madagasikara. Tsy azo adinoina anefa fa lalàna anie ny tondrozotra e ! Ary mazava ny voalazan’ny andininy faha-20 ao anatin’io sa hatao izay tsy hahafaly ny mpomba ny filoha Ravalomanana ka hampitroatra ireto farany ? Inona moa izany fa dia hitsefotra alohan’ny fotoana ilay resaka fihavanam-pirenena satria misy matahotra ny hivoahan’ny marina momba ny raharaha 2009 eto, dia ireo bolokim-bazaha matahotra ho very tombontsoa sy ireo vahiny efa zatra nitavana ny harem-pirenena malagasy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT