Efa niomana sy nivonona handray fitondrana ny TIM. Tsy atao kitaitaitra io fa mila paikady tsara petrapetraka. Mila rafitra mafy mahenika ny Nosy ny fahazoana fandresena, ary tsikaritra ho efa niomana ho amin’izany satria saika mihetsika avokoa ny rehetra amin’izao fotoana ary fifaninanana masina ny an’ny TIM samy TIM amin’io fifidianana io amin’ny fahazoana isam-bato betsaka indrindra hampandaniana an’i Marc Ravalomanana. Maro sy be rahateo ny fampianarana sy fiofanana natao.
Fampandrosoana firenena sy fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy no atao fa tsy fakana fahefana mba hanaovana valifaty na hangoronan-karena. Mbola te hanaporofo amin’ny Malagasy rahateo i Marc Ravalomanana, fa fialonana sy fanapotehana azy sy ny firenena tsotr’izao ny anton’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009. Nosoketaina sy nolotoina faratampony ho toy ny devoly mihitsy i Marc Ravalomanana tamin’izany mba hamotehana azy, saingy tsy nahavita ny vitany ny mpanongam-panjakana. Mbola mamim-bahoaka matoa mbola laharana faharoa ny olona notohanany tamin’ny fifidianana 2009, ary tsy nifanalavitra ny elanelan’isa na nanao izay faraheriny nampandany ny olona notohanany aza ny mpanongam-panjakana. Ny Malagasy rahateo dia mahalala sy mahatadidy ny tantara tsara, fa niaina kokoa, niadana kokoa, nandry fahalemana kokoa… fony izy no nitondra. Tsy kivy tsy ketraka i Marc Ravalomanana fa be herim-po sy nahavita, ka na efa nopotehina, nogadraina, ary nokendrena hovonoina mihitsy aza, dia mbola io tafarina io. Asa lahy raha ny mpanogam-panjakana tamin’izany fotoana izany no tratry ny nahazo raha mba hiarina tahaka azy na ho lasa gaigy fa maro aloha no efa toa tratry ny tsinin’ny famotehana firenena, ka ratsiratsy fiafara e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.