Politique

Marc Ravalomanana Efa niomana hatramin’ny 2009


  • Alarobia 22 Aogositra 2018

Efa mipetrapetraka ny paikady ary tsy tonga hitsangantsangana i Marc Ravalomanana niverina eto fa hanaporofo ny mbola hilan’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy azy.

 

Efa tamin’ny 2009 no niomana hiverina eo amin’ny fitondrana amin’ny fomba demokratika, ary tsy tongatonga ho azy ilay tantara “Return of a president” na ny “Fiverenan’ny filoha”, izay mitantara ny fiainany sy ny lalana nodiaviny, ary efa mitory hafatra amin’ny mbola hiverenany indray amin’ny fitondrana an’i Madagasikara. Mahalala tsara ny zava-misy sy ny fitantanana mety kokoa amin’i Madagasikara amin’izao. Manana mpiara-miasa matanjaka ary tonga hentitra amin’ny asa hivaingana satria mampiavaka azy ny hafainganam-pandeha amin’ny fampandrosoana. Mahalala ny 92%-n’ny manjo ny Malagasy aho. Haiko tsara ireo vahiny mpiara-miasa amintsika ireo ary hampiasa ny fahaizako koa aho, hoy izy, ny 12 desambra 2017, nankalazany ny faha-68 taonany. Hitondra fanantenana ho an’ny Malagasy aho ary hanao avo 10 heny tamin’ny ezaka efa vitako hatramin’izay. Mety nanana ny fahalemeny izy, saingy tsy sakana tamin’ny fampandrosoana nentiny izany, ary tena nahavita izy fony teo. Hanova ny fihetsiko aho, hihaino araka izay azoko atao, handray fanakianana ihany koa, vonona handefitra aho, vonona hiova saingy tsy hiova kosa aho fa dia hihenjana amin’ireo mieritreritra azy fa tsimatimanota eto amin’ny firenena, hoy i Marc Ravalomanana. Raha nisy tsy nety natao teo aloha dia izay no maha olombelona, tsy ho tanteraka 100%, hoy hatrany ity filoha teo aloha ity,  aleo mifampiresaka sy mifanazava dia mifandamina, hoy izy na dia avy niady aza.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT