Politique

Marc Ravalomanana Efa mipetrapetraka ny fanarenam-pirenena


  • Alatsinainy 01 Oktobra 2018

Tontosa soa aman-tsara ny andron’ny sabotsy 29 septambara teo tany Parisy tao amin’ny Le Millenaire any Savingny-Le-Temple ny fihaonan’i Marc Ravalomanana sy ny mpila ravinahitra any Frantsa sy Eoropa.

 Nampahafantatra ny zava-misy iainan’ny Malagasy, ka mila toky aho ary mila miresaka amin’izy ireo aho, fa tsy hanao kobaka am-bava fotsiny. Anton’izany ny nitetezana faritra maro teto Madagasikara nihainoana ny vahoaka,  nijery ny zava-misy, ary nanokatra ny vilaniny sy nifampidinika taminy. Isan’ny tsapa ny tsy fandriampahalemana na ambanivohitra na ambanivohitra. Tena mila famonjena sy fanavotana ny Malagasy mpiray tanindrazana amintsika, hoy i Marc Ravalomanana. Raha manana finoana marina isika tsy hampihemotra antsika izany, hoy izy. Nanome toky an’i Marc Ravalomanana kosa ireo Malagasy mpila ravinahitra fa vonona amin’ny lafiny rehetra, indrindra amin’ny alalan’ilay fandrotsaham-bola ao anatin’ny tahiry ho fampandaniana an’i Marc Ravalomanana, ka hanana ny azy izy ireo. Navoitran’ny Kandida laharana faha-25 kosa, fa tena ilaina amin’ny fampandrosoana ny NTIC na ny teknolojia vaovaon’ny fampahalalam-baovao sy ny serasera, ny fanavaozana sy famoronana, ary ny famokarana amin’ny fahaizantsika, ary tsy maintsy miasa miaraka na manao ny “team work”, ary ny fampitaovana. Tsy afaka hanatanteraka ny fanamby sy hanangana firenena vanona isika raha tsy mahita olona afaka hiasa miaraka. Vonona amin’ny MAP 2 i Marc Ravalomanana, izay mbola mampanatena, fa hanamboatra indray ny nopotehina,… Hanangana firenena vanona ka fomba roa no hahatongavana amin’izany, dia ny hoenti-manana ara-bola, ary mahita aho, hoy izy. Ny faharoa dia hoenti-manana arak’olona, izay ilana ny tena fahavononana fa tsy seho ivelany, fa mila olona tena mahay, mahalala, mahavita. Tsy hanan-kavana ny fanarenana ity firenena ity, hoy izy. Tena hampiasa ny fahaiza-manaoko aho, hoy izy, ary nipetrapetraka ny fanazavany ny làlana hahatongavana amin’ny fanarenana sy ny fampandrosoana. Efa tany Washington ny tenany ny volana febroary, dia nanamafy niaraka tamin’ny FMI sy BM, ary misy namana 15 miasa any, ka nilazan’ireo fa tsara raha hampidirina sy hampahalalana an’io MAP 2 io ireo mpiara-miombon’antoka, ary nampahalalana izany koa ny tany Bruxelles. 500 tapitrisa dolara no nampiasaina tamin’ny MAP 1, ary efa nanana tetikasa 4 miliara dolara aza tamin’izany. Raha tsy nisy ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 tsy ho toy izao i Madagasikara. Misy miteny hoe, izaho no lasibatra, eny lasibatra ara-pananana sy ara-materialy, fa tafatsangana aho izao, fa ny tena voa mafy dia ny vahoaka Malagasy iray manontolo, izay vaosazy, hoy izy. Tsy vita ny fampandrosoana raha tsy voky aloha ny vahoaka, ary efa misy ny iraka nalefa aty Madagasikara hijery ny paikady, raha ny nambarany.  Azo atao ny manome fanampiana mandritra ny 6 volana, fa aorian’izay dia mila mihetsika ny Malagasy amin’ny famokarana amin’ny alalan’ny fambolena, ary vitantsika izany, hoy i Marc Ravalomanana.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT