Nanambara Atoa Marc Ravalomanana nandritra ny fivoriamben’ny TIM teny Faravohitra ny sabotsy lasa teo fa nandalim-pahaizana niaraka tamin’ireo mpampianatra sy manampahaizana tao amin’ny oniversiten’i Pretoria ny tenany nandritra ny nipetrahany tany Afrika Atsimo.
Resaka fitarihana (leadership) sy fitantanana no nianarany. Tsy nipetra-potsiny aho tany fa nianatra sy nifanakalo hevitra tamin’ireo manampahaizana, hoy i Marc Ravalomanana. Ary tsapa tokoa nandritra ny famelabelaran-kevitra nataony fa mitondra zava-baovao indray hampahomby kokoa ny asa izay atao ity filoha teo aloha ity.
Nahavita nanova ny toe-tsaina
Izy moa no mpitondra fanjakana voalohany teto Madagasikara resy lahatra ny amin’ny maha zava-dehibe ny resaka « leadership » ka izany indrindra no nananganana ny NLIM (National Leadership Institute of Madagascar) teny Iavoloha. Ivontoeram-panofanana momba ny fitarihana mahomby izy io, niara-niasa tamin’ny Francklin Covey sy ny Harvard University, nampiofana mpianatra nandritra ny roa taona no sady nampiofana ireo tompon’andraikitra sy mpitantana rehetra teto amin’ny tany sy ny fanjakana, niainga tany min’ny mpikambana ao amin’ny governemanta, ny loholona sy ny depiote ka hatrany amin’ny filoham-pokontany. Nahatsiarovan’ny olona an’i Marc Ravalomanana tahaka ny fanamboaran-dalana ity resaka leadership ity ary efa azo notsapain-tanana ny vokatra azo avy aminy tamin’ny fahitana ny fiovan’ny toe-tsaina tsikelikely teo amin’ny olona.
Tanjona goavana
Misy antony matoa mbola nandalim-pahaizana i Marc Ravalomanana, tsy mbola afaka miteny malalaka sy milaza ny tena ao an-dohany moa noho ny fepetra napetraka aminy ity filoha teo aloha ity, saingy maro no efa resy lahatra fa manomana ny fiverenana indray eo amin’ny fitondrana i Marc Ravalomanana.Milaza zavatra betsaka ny sarisarin-teny nataony teny Faravohitra ny sabotsy lasa teo, koa na dia mifantoka manontolo amin’ny izay hampahomby ny fampihavanam-pirenena aza aloha izao no laharampahamehana ho an’i Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy dia efa tsinjo sahady fa manana tanjona goavana i Dada. Mahalala ny fahorian’ny malagasy aho hoy izy, mahay ny paikady handresena izany ary mahavita manao ny asa mifandaika amin’izany. Etsy an-kilan’izay dia maro be ny malagasy resy lahatra fa i Marc Ravalomanana aloha hatramin’izao no tena mahavita manarina ny firenena, izay ihany koa no hita fa sahy miaro ny tombotsoan’ny Malagasy sy ny fiandrianam-pirenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.