Vonon-kampandresy amin’ny heriny rehetra an’i Marc Ravalomanana ny vahoakan’Antananarivo sy ny vahoaka Malagasy maro an’isa, ary manohana azy amin’ny heriny rehetra tsy tambazam-bola na vidiana amin’ny T-shirt.
Nangorom-potsy ara-bakiteny ny kianjan’Ambohijatovo ny sabotsy 20 oktobra teo. Vahoaka an’aliny maro no nameno ny kianja naneho ny fanohanana an’i Marc Ravalomanana. Fitiavana sy finiavana no hita soritra teny amin’ny rehetra, ka ny resaka T-shirt ohatra, dia maro no nanamboatra ny azy amin’ny endriny itiavany azy, ary hoporofoina amin’ny latsa-bato hamerenana ny kandida lah-25 ho filoha amin’ny 7 novambra ho avy izao. Faly tena faly aho, vory maro ianareo teto Ambohijatovo androany, hoy izy. Hataoko ho laharam-pahamehana ny fanamboarana ny lalana, hamboarintsika izay simba ary hanamboatra lalana vaovao ihany koa isika, vitantsika izany. Fanamby sy fanomezan-toky ao anatin'ilay "manifesto" ihany koa dia atao mandry fahalemana ny vahoaka, ka na ny iray fotsiny aza no mitaraina dia harovana ny ainy sy ny fananany. Haverintsika amin'ny tompony ny tany lasan'ireo mpanao kolikoly, haverintsika ny hasin’ny fitsarana. Tsy ataoko ambanin-javatra ihany koa ny hampisakafoanana ny vahoaka, hanome fitsaboana araka ny tokony ho izy ny fitondrana tarihiko. Hapetraka amin’ny laoniny ny fitsinjaram-pahefana tena izy mba hisian’ny fifampatokisana eo amin’ny mpitondra sy ny entina. Hiara-kiasa amin’i Marc Ravalomanana amin’io ny vondrona Eoropeanina, ka ny kaominina rehetra dia homena ny fitaovana sy izay filany. Ezahin’ny sasany handotoana sy hanaratsiana an’i Marc Ravalomanana ny teratany vahiny iray avy any Danemark, izany hoe Danois. Nitsidika toerana maromaro teto Madagasikara, indrindra fa tany amin’iny ilany Atsimo niaraka tamin’i Marc Ravalomanana izy, izay manampahaizana manokana momba ny ankizy sy ny fitsinjovana azy ireny. Malahelo, dia malahelo ity teratany vahiny ity mahita ny fijalian’ny zaza Malagasy any Atsimo, ary vaky vava nilaza fa ny eto Madagasikara no faha-4 maneran-tany amin’ny fampijaliana ankizy. Tena noana sy mijaly indrindra ny zaza Malagasy satria iray amin’ny roa no tratran’izany indrindra any Atsimo hatramin’ny nialan’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2009, hoy io vahiny io. Manampahaizana amin’ny ady amin’ny tsy tsy fanjarian-tsakafo izy, ary vonona tanteraka amin’ny fiaraha-miasa aminy. Tsy maintsy hampidirina sekoly ny zanaka Malagasy, ary vonona izahay ny hiara-kandresy lahatra ny mpiara-miombon’antoka, ka hataontsika izay haha toy ity zafikeliko ity azy ireo, hoy ny fanoharana nataon’i Marc Ravalomanana, izay tamin-kafaliana no nandraisan’ny vahoaka ireo fianakaviany. Tsiahivina fa nahatratra 90 tapitrisa dolara ny vola naompan’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Norvezianina tamin’ny tontolon’ny fampianarana teto Madagasikara tamin’ny androny saingy tapaka taorian’ny fanonganam-panjakana. Nitondra vazaha aho hanampy ny zanatsika, manampahaizana hanampy hiasa hiaraka antsika, fa tsy haka ny tanintsika, ka diso ny filazana fa hivarotra tanindrazana ohatra ny fanaon’ny sasany, hoy izy. Sahirana ny Malagasy ary hezahintsika izay hamerina ny fiainana amin’ny laoniny, hoy ny fanomezan-tokin’ity filoha ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.