Nangina tsy nandrenesam-peo hatramin’ny nahavitan’ny fihaonana an-tampony ny zoma lasa teo ireo filoha 5 mirahalahy, anisan’izany Atoa Marc Ravalomanana
Ity farany izay nandeha fiaramanidina manokana avy any Antsiranana niakatra teto Antananarivo ny zoma maraina, nigadona tao Ivato ilay jet privé ary dia nandray elikoptera avy hatrany indray izy namonjy ny hotely lehibe kintana 5 mifanila amin’ny CCI Ivato nampiantrano ny fivoriana. Rehefa vita ny fivoriana sy ny resaka fohy nifanaovana tamin’ny mpanao gazety dia nirava ny teny Ivato, samy nandray ny fiarany tsirairay avy ireo filoham-pirenena, tazana niditra tamin’ny fiara 4x4 izay nisy ny zanany Tojo Ravalomana mivady ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, saingy tsy fantatra mazava ny toerana nalehany avy eo.
Toerana 4
Raha ny feo nandeha ny sabotsy lasa teo dia nisy ny nilaza fa niverina any Antsiranana ny sabotsy maraina i Dada, tsy fantatra mazava kosa anefa hoe lasa any amin’ny « Amirauté » ihany ve izy sa any amina toeran-kafa. Ny sabotsy tolakandro ihany dia efa nangata-panazavana ny teny amin’ny Magro nanao hoe : teneno mazava ny toerana misy an’i Dada ! Omaly alahady indray dia feo hafa no re nilaza fa eo anilan’ny fianakaviany ity filoha teo aloha ity, ka toerana efatra no mety misy azy ireo dia :Antsirabe, na Antsiranana na Nosy be na eny Imerinkasinina.Tsy nisy anefa ny vaovao ofisialy na avy amin’ny fitondram-panjakana, na avy amin’ny fianakaviana Ravalomanana nahafahana nanamarina na nandiso io resaka io. Ny hita ny zoma lasa teo aloha dia efa mirana sy tsy reraka be intsony ny endrik’Atoa Marc Ravalomanana, ary hita fa somary nahazo aina izy. Tsy nisy nipika mihitsy moa ny resaka sy adihevitra teny Ivato, inoana anefa fa efa nodinihana tao ny toerana mety hodian’i Marc Ravalomanana rehefa vita ny fihaonana, mandra-piandry izay fanapahan-kevitry ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina izay nanome toky fa handray an-tanana manokana ny momba an’i Dada.Ny fitondram-panjakana moa dia tsy nanaiky hatramin’ny farany ny hiverenan’ity filoha teo aloha ity eny Faravohitra, saingy tsy nitsivalana kosa ny amin’ny mety hifindrany any amin’ny toeran-kafa, amin’ny fotoana maha mety izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.