Sioka tokana araka ilay fomba fiteny dia vory lanona ny vahokan'i Mahajanga nandray ny kandida Marc Ravalomanana laharana faha-25, omaly.
Hafaliana sy fanantenana no nisoritra teny amin’ny endriky ny vahoaka nandray azy an-kafaliana nandritra ny fihaonana lehibe tany an-toerana. Mikasika ny fikasan’ny kandida sasany hanemorana ny fifidianana, dia efa fanirian’ny vahoaka Malagasy io fifidianana io ka maika izy hisafidy izay tiany hitondra azy, hoy izy. Raha mihemotra io dia vao mainka hampitombo ny fahasahiranam-bahoaka sy ny fahoriana, ka tsy mahasoa antsika izany, ary tsy manaraka ny lalàmpanorenana, hoy i Marc Ravalomanana. Fihaonan’ny tia sy ny manina, omaly, satria tsy afaka am-pon’ny vahoakan’i Mahajanga velively ny fampandrosoana nataony tao amin’ity tanànan’ny voninkazo ity, toy ny fanamboarana sy fanajariana ny sisin-dranomasina na ny “bord” izay isitrahan’ny olona tsy tambo isaina na ny ao an-toerana na ny mpizahatany mandala. Tanàna iombonan’ny Malagasy rehetra rahateo i Mahajanga satria ahitana ny mponina avy amin’ny lafivalon’i Madagasikara na “ville cosmopolite” amin’ny fiteny vahiny. Babony ny vahoakan’i Mahajanga ary olona resy lahatra ara-potokevitra, tsy mila tambiny,… fa entanin’ny fitiavana. Manantena sy mametraka fitokisana aminy ny olona satria mbola tsaroany ny fampandrosoana, ny fari-piainany, ny fianaran-janany voakarakara. Na aiza na aiza aleha, dia rakotra olona foana. Tsikaritra ho manatanteraka ilay karazana seho nataony teny Mahamasina ny 25 aogositra teo i Marc Ravalomanana, dia ny fanatonana ireo faritra rehetra misy eto Madagasikara, ary tsy misy atao ankilabao amin’ny fampandrosoana. Nialoha io dia nanatrika ny fanokafana ny jobily faha-50 taonan'ny sampana Dorkasy FJKM tao Mahajanga ny tenany amin’ny maha filohan’ny komitin’ny Jobily faha-50 taonan’ny FJKM azy. Hitako mavitrika tokoa ianareo Dorkasy amin'ny zavatra ataonareo. Hanampy anareo araka izay azoko atao aho. Hizara aminareo ny traikefa momba ny “leadership” na ny fahaiza-mitarika entinareo manao ny asa fanasoavana sy ny fitaizana ny mpiara-belona ary ny fampivoarana ny vehivavy. Misaotra amin'ny fiaraha-miasa, ny fiaraha-mientana ary fiarahana mandray andraikitra, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.