Araka ny efa nitaterana azy teto ny alatsinainy lasa teo dia tonga nitsidika ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teny amin’ny trano fonenany, eny Faravohitra, omaly maraina ny masoivohon’i Vondrona Eoropeanina eto amintsika Atoa Antonio Sanchez-Benedito.
Tsy nisy nipika ny diniky ny roa tonta sady tsy azo natrehan’ny mpanao gazety rahateo. Nanomboka tamin’ny sivy latsaka folo maraina (8h50) ka hatramin’ny iraika ambinifolo ora (11h) izany fihaonana izany. Araka ny loharanom-baovao akaiky an’Atoa Ravalomanana dia niresaka momba ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny ny roa tonta, manohana hatrany ny governemanta tsara tantanana ny vondrona eoropeanina raha ny fantatra, ary nanamafy fa anisan’ny fepetra iray hampivoha ny famatsiam-bola ny fanomezana fahafahana tanteraka ny filoha Ravalomanana.
Any amin’i Dada ny lakile
Midika izany fa mbola tena manana ny maha izy azy ary manana ny toerany eo amin’ny fiainam-pirenana Atoa Marc Ravalomanana, tsapa ihany koa fa na dia tsy filoham-pirenena intsony aza izy dia tena mbola mahatoky azy tanteraka ireo mpamatsy vola goavana mpiara-miasa amin’i Madagasikara tahaka an’i Etazonia sy ny vondrona eoropeanina, izay samy nanitrikitrika hatrany am-boalohany ny tsy maintsy ampiharana ny tondrozotra nosiniavina sy hampiharana ny fanjakana tsara tantana sy ny fampiharana ny demokrasia ka tafiditra ao anatin’izany ny famelana ny fanehoan-kevitra malalaka.Tsy ampihambahambana ihany ko no ilazana fa tena any amin’i Marc Ravalomanana ny lakilen’ny loharanom-bola hanarenana ny firenena. Efa tamin’ny faran’ny taona 2014 tokoa mantsy ny Amerikanina no nilaza fa tokony hahay hiara-kiasa amin’Atoa Marc Ravalomanana sy ireo filoha teo aloha ny fitondrana Rajaonarimampianina satria tsy vitany irery ny fanarenana an’i Madagasikara. Misy dikany goavana amin’ny resaka diplomasia io fehezanteny io ary azo adika tsotsotra fa mbola atokisan’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara ity filoha teo aloha ity noho izy, hany filoham-pirenena nanana fandaharan’asa (MAP) sady mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara no mifandray amin’ny tanjona iombonan’izao tontolo izao amin’ny resaka ady amin’ny fahantrana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.