Nambenana mpitandro filaminana mirongo fitaovam-piadiana, tsy navela hiresaka aman’olona, norarana tsy hanatrika ny hetsiky ny Magro tao Avaratsena, noterena hiditra anatin’ny fiaran’ny Emmo sécurité ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny sabotsy lasa teo tany Antsirabe. Nanatrika ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny Fjkm Kamafa Antsirabe omaly maraina Atoa Marc Ravalomanana sy ny vadiny ary hatry ny omaly hariva dia fantatra fa mbola nijanona any an-toerana ary tsara ambin’ny mpitandro ny filaminana.
Nosakanana indray
Mitohy hatrany ny antsojay ataon’ny mpitondra amin’ity filoha teo aloha ity. Nosakanana tsy navela hihaona tamin’ireo kandida ben’ny tanàna avy amin’ny antoko Tim ao amin’ny faritra Vakinankaratra ny tenany, efa vory tao amin’ny Tiko TOP moa ireto kandida ireto. Avy hatrany dia noteren’ny mpitandro filaminana hody izy.Tsy ny fiara nitondra azy nankany anefa no nasaina niakarany fa ny fiaran’ny mpitandro ny filaminana. Toy ireny olon-dratsy ireny no nanasokajiana azy. Noho izany dia tsy afaka nanatrika ny hetsika tao amin’ny Magro Antsirabe ihany koa Atoa Ravalomanana. Araka ny efa nambarany mantsy dia hamarana ny tolona ao amin’ny Magro ny tenany, toy ny natao teto an-drenivohitra.Tsy mifarana fa mbola mitohy noho izany ny hetsiky ny zanak’i Dada ao Antsirabe satria tsy mbola tafiditra an-kianja i Dada.
Tsy vonona hihavana ?
Tena azo raisina ho tsy fahavononana amin’ny fampihavanana sy ny fisian’ny fahalalahana maneho hevitra izao fehitsiky ny fitondram-panjakana tamin’i Marc Ravalomanana izao no sady manohintohina ny zon’olombelona mihitsy aza. Azo adika ho fandrahonana ihany koa ny amin’ny hoe : raha vao mihetsika mahery eo ianao dia miverina migadra indray. Tsy mazava, tsy mangarahara ny antony hanakanana an’i Marc Ravalomanana tsy hifandray aman’olona satria tsy nisy ny fanazavana ofisialy hatry ny omaly. Iza marina no nanome baiko tany Ambositra sy Antsirabe ka nahatonga ny mpitandro filaminana handrara ity filoha teo aloha ity amin’ny fandraisam-pitenenana sy fifampiresahana aman’olona ? Azo antoka fa tsy maintsy horesahana mandritra ilay fivorian’ny GIS-M anio eny amin’ny Carlton ity raharaha Ravalomanana ity satria tena tafiditra ao anatin’ireo tranga mahatonga ny fianakaviambe iraisam-pirenena tsy hahatoky ny ny fitondrana misy eto amintsika izay toa milaza ho tsy miady, tsy miady kanefa ny kibay an-kelika ihany !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.