Mahabo, Belo sur Tsiribihina, Maintirano, Antsalova, Miandrivazo,… no nanaovan’ny kandida Marc Ravalomanana laharana faha-25 fampielezan-kevitra omaly.
Nahazo ny anjarany tamin’ny fanazavana ny “Manifesto”, izay fanomezan-toky ataony ny olona, ary nasehony ny “kits scolaires” hozaraina amin’ny mpianatra, hisian’ny ny fanabezana ho olom-pirenena vanona. Nasehony koa ny fitaovana hanofanana ny tanora izay misy solosaina ary nohamafisina koa ny fanomezana fiofanana ny mpampianatra sy ny famerenana ny hasin’izy ireo. Nohamafisiny tao Belo sur Tsiribihina hatrany ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izay mampitebiteby isan’andro ny vahoaka sy ny faharatsian’ny lalana. Efa ao anaty “Manifesto” ny fanomezan-tokin’ny kandida lah.25 ka handroso vahaolana momba ireo toe-javatra ireo izy. Homena fitaovana mifanaraka amin’ny toetrandro ankehitriny ny mpitandro ny filaminana, ka hanaovana fanandramana miaraka amin’ny Amerikanina any Andranomafana- Ifanadiana ny “drônes”. Tao Belo sur Tsiribihina ihany koa no nanamafisany fa rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy dia tsy misy omby azo haondrana intsony. Niavaka ny zavatra nambarany tao Maintirano, ka hoy ny kandidà Marc Ravalomanana hoe: “tsy mampanonofy anareo aho ka hanangana “buildings” izay tsy ho azonareo hipetrahana akory na hampiandry anareo telopolo taona”. Tonga ho azy izany rehefa voavaha aloha izay maika indrindra. Hamboarina ny tanàna, ny lalana mampitohy ny distrikan’i Maintirano sy ny kaominina rehetra manodidina ary ny lalana mampitohy azy sy ny renivohitra Antananarivo ary haverina ihany koa, hoy izy, ny fihantsonan’ny fiaramanidina ao an-toerana. Mitohy hatrany etsy an-daniny ny fampielezan-kevitra amin’ny endriny maro manerana ny Nosy hampandaniana an’i Marc Ravalomanana. Isan’andro ny “carna-vam” miaraka amin’ny “sono” ataon’ny tanora eto an-drenivohitra. Tsara ny mampahafantatra fa manodidina ny 90 eo ho eo ny toerana nolalovan’ny kandida Marc Ravalomanana tamin’ity fampielezan-kevitra ity, ary tena midina ifotony mifandray amin’ny vahoaka mihitsy mampiely ny hevitra hanarenana sy hampandrosoana ny firenena. Hatramin’ny taona 2014 niverenany, dia nahatety toerana 246 teto Madagasikara izy, izay midika fa kandida tena akaiky ny Malagasy, ary tsy atao mahagaga raha vory lanona hatrany vahoaka rehefa i Marc Ravalomanana no tonga. Nijery sy nitsinjo ny Malagasy izy ary akaiky ny rehetra, fa tsy mba nanava-tena nandeha niliba tany ampitan-dranomasina, ka rehefa fifidianana vao mody hihatsaravelatsihy sy hanambitamby olona sy hizara vola handrotsa-bato ho azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.