Niditra mivantana nanazava ny zava-misy tamin’ny fihaonana nangatahan’ny Sadc taminy sy ny tohin’ny hetsika ho an’ireo mpiara-dia aminy Atoa Marc Ravalomanana omaly tolakandro. Hetsika natao tao Ambodisoanambo Anjoma ary natrehan’ireo “zanak’i dada” tao Toamasina na alatsinainy aza ny andro. “Tsara ny fihaonana nifanaovako tamin’ny Sadc, izy ireo no nangataka ny fihaonana tamiko izay nandinihana ny momba ny fiverenako any Madagasikara. Mila miomana dieny izao isika satria raha ny zava-misy aty dia efa miha manakaiky ny fahatongavako”
Izay no anisan’ny nambaran’Atoa Ravalomanana nanokafany ny antso nataony. Nohamafisiny koa fa ny tonga miaraka dia fanombohana, fa ny miasa miaraka no fahombiazana. Isika tsy fahavalon’ny mpitondra fa mpiara-miasa amin’izy ireo, nefa aza terena hanao ny tsy tokony hataonay aminareo ianareo, fa raha manolo-tanana izahay dia mba raiso entina hanalana izao fahantran’ny vahoaka Malagasy miha lalina hatrany izao, hoy izy. Nanentana ireo mpiara-dia ho vonona hatrany, hanentana ihany koa ireo fianakaviany sy ny mpiara-belona ary ny vahoaka Malagasy, fa ho avy isika hitondra ny adidintsika amin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy, hoy Atoa Ravalomanana Marc namarana ny antso nataony mivantana avy any afrika atsimo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.