Politique

Marc Ravalomanana " Ankinintsika amin'Andriamanitra ny zava-drehetra"


  • Sabotsy 25 Aogositra 2018

Tonga teny Faravohitra niara-nivavaka sy nitso-drano ny filoha Ravalomanana amin'ny firotsahan-kofidiany ny mpianakavin'ny Finoana, havana aman-tsakaiza avy eny Imerinkasinina, izay tany niaviany omaly.

Ankinintsika amin'Andriamanitra ny zavatra rehetra, hoy kosa i Marc Ravalomanana. Mbola lavitra rahateo ny làlan-kaleha ary tsy vitan’ny fo sy saina fotsiny fa mila hatrany ny fitahian’ny Avo. Manohy ny lalana i Marc Ravalomanana sy ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao, ka hifankahita indray ny tia sy ny manina eny Mahamasina anio rehefa nandalo sedra maro  nanomboka ny taona 2009, nisian’ny nanapotehana ny firenena. Hangorom-potsy eny an-toerana satria tao anatin’ny andro maromaro no efa sesilany ny fanehoana fahavononana, tsy ho an’ny mpanohana eto Antananarivo ihany fa hatramin’ny any amin’ny faritra samihafa, dia hanao be fiavy eny Mahamasina. « Mpanangana fa tsy mpandrava isika », hoy ny hafatra lehibe ho an’ny vahoaka. Manohana azy ny olona maro manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena na dia maro aza no tsy misehoseho. Babony ny any ambanivohitra amin’ny faritra maro manerana ny nosy, ary efa hatramin’ny 2001. Mbola tena mafy be ny fototry ny TIM isam-pokontany. Ny Tanora TIM ihany koa tena miroborobo, ary tsy ny tanora ihany fa ny sokajin’olona rehetra no manohana azy. Maro no resy lahatra fa mahavita mamorona asa izy ary olona tsy hanaiky ny hametsifetsena ny Malagasy izany mihitsy. Sahy ary tsy mikoso-maso eo anatrehan’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena, ary tsy mbola nisy teto hoe filoha nahasahy nandroaka masoivoho vahiny, toy ny nandroahany ny masoivoho Frantsay Gildas Le Lidec tamin’ny 2008. Nambara fa nanao didy jadona rehefa nampihatra ny atao hoe tany tan-dalàna, kanefa maro amin’izao fotoana no tonga saina fa hafa ihany tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana. Nilamina sy nirindra kokoa ny fiarahamonina. Tan-dalàna ny vahoaka ary mankato ny lamina napetraka. Raha resaka fampandrosoana ny firenena sy ny fiantraikan’izany tamin’ny fiainam-bahoaka, dia tsy hisy mpitondra sahy hiteny sy hilaza fa nahavita be noho izy.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT