Izay voalaza dia voalaza fa tsy miverina amin’izay intsony aho, hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha nitafa mivantana an-telefaonina tamin’ny mpomba azy tetsy amin’ny Magro Behoririka izy ny sabotsy tolakandro lasa teo. Ampy izay fa ny manova no mety, hoy izy. Na dia maro aza no velom-panontaniana tamin’ny fanapahan-keviny ny hanohitra ny fitondrana dia tsy mampaninona izany, hoy i Marc Ravalomanana, satria samy manana ny heviny, samy manana ny toerana misy azy, indrindra ny andraikitra misy azy, ny tsirairay avy ary afaka manambara ny hevitra tiany holazaina
. Nambarany fa fahadisoam-panantenana no misy eto Madagasikara. Ny vahoaka malagasy hianjadian’ny fahantrana mangitsokitsoka tsy nisy toy izany hatramin’izay naha tany ny tany, sahirana ny tantsaha, tsy namokatra araka ny niheverana azy satria tsy misy vola ividianany zezika sy masomboly. Ny varotra tsy mandeha araka ny tokony ho izy, betsaka ny zavatra manelingelina azy. Ny mpandraharaha dia fanina noho ny afitsok’ireo mahitahita.
Fanjakana tsy marin-toerana, tsy azo antenaina…
Diso fanantenana ihany koa ny fikambanana iraisam-pirenena sy mpamatsy vola, hoy ity filoha teo aloha ity satria samy nanantena fa hiverina amin’ny tany demokratika sy fanjakana tan-dalàna i Madagasikara rehefa vita ny fifidianana. Izay no nahatonga azy ireo nilaza tamiko hoe mba miangavy anao izahay, ndao hiaraka hiasa. Tsy nandà aho, hoy i Marc Ravalomanana satria natoky azy ireo ary izy ireo natoky ahy. Dia nanohana ny fitondrana aho , hoy izy. Taty aoriana anefa, tsapako fa ny nifanohitra amin’izay no nisy. Lasa fiarahana tsikombakomba ny fahanginana manoloana ny fahantran’ny vahoaka Malagasy, ka izay no nahatonga ahy nanambara ampahibemaso fa tsy manohana izao fitondrana mijoro izao intsony aho, hoy i Dada. Samy mahita daholo izao tontolo izao fa diso lalana tanteraka i Madagasikara. « …Zavatra telo ihany eto ambonin’ny tany no mahatonga ny firenena iray tena hahantra fadiranovana tahaka an’i Madagasikara na ny tsy fahaizana mitantana na misy ady na misy zavatra mitranga tampoka toy ny horohorontany, na tondra-drano ». Ka anjaran’ny tsirairay no mitsara, inona amin’ireo zavatra telo ireo no nahatonga an’i Madagasikara handohalika noho ny fahantrana tahaka izao ? Tsy tafarina isika raha tsy miara-miasa amin’ny any ivelany, hoy i Marc Ravalomanana, ny any ivelany anefa tsy mahatoky izao fitondrana mijoro izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.