Taorian`ny adihevitra nifanatrehan'ny kandida Andry Rajoelina sy ny kandida Marc Ravalomanana, izay narahina tao amin'ny Televiziona Malagasy ny alahady 9 desambra lasa teo dia namoaka ny heviny mahakasika izay ny ben`ny tanànan`Alasora, Marc Ramiaranjatovo.
Amin`ny ankapobeny, samy nilaza ny tao am-pony tamin`ny voalohany ary samy nitondra ny momba ny programany ny tsirairay, hoy izy. Tsikaritra anefa fa nahamaika an`i Andry Rajoelina kokoa ny namoaka antontan-taratsy momba ny fitondran`Atoa Marc Ravalomanana. Mahakasika an`i Andry Rajoelina dia sarotra tanterahina ny programany. Noraisiny ohatra ny fanamboarana ireo trano fonenana 50 000 ao anatin`ny dimy taona, izany hoe 10 000 isan-taona. Aiza no hahitan`ity kandidà ity famatsiam-bola manodidina ny 5 miliara dolara hanaovana izany ? Ny governemanta nifandimby teo aza tsy nanana afa-tsy 200 hatramin`ny 300 tapitrisa dolara. Misy programa azo tenenina nefa misy kosa tsy azo tanterahina mihitsy. Nilaza izy fa aleo niteny hoe hanao “Logements sociaux” araka izay misy ho an`ny mpiasam-panjakana, ho an`ny tsy miankina… Raha niteny izany I Andry Rajoeilina dia mety hafa ny fipetrany. Faharoa, teo anivon`i Marc Ravaolomanana dia niezaka nametraka ambony ilay adihevitra mba tsy hanodinkodina ny hevitra. Nisy hevitra niendrika fanontaniana ohatra ny andramena izay tsy dia tena nanana valin-teny tokony haposaka. Nanamarika i Marc Ramiaranjatovo fa ny tetezamita dia niaina tamin`ny fanondranana andramena sy volamena ny mpitondra teo. Nomarihany ihany koa fa tamin`ny tetezamita no tena gaboraraka teto Madagasikara. Nomarihany kosa fa zava-dehibe ilay adihevitra tamin`ireo kandidà roa tonta ireo satria afaka namoaka ny heviny izy mianaka. Anjaran`ny olom-pirenena ny mitsara ny programa azo tanterahina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.