Politique

Marc Ramiaranjatovo “Mety hifandrirotra ny samy mpifaninana”


  • Alarobia 14 Novambra 2018

Amin`izao fotoana izao dia eo am-piandrasana ny valim-pifidianana izay natao tamin`ny alarobia 7 novambra lasa teo ny rehetra.

 

Maro ny lesoka nandritra ny fizotran`ny fifidianana ary samy nahitana tsy fahalavorariana teo amin`ny lalàm-pifidianana sy lisi-pifidianana. Nikaikaika avokoa ny biraom-pifidianana rehetra, ka 60% hatramin`ny 70% dia nisy olana teo amin`ny lafiny lisi-pifidianana. Misy ireo olo-pirenena sady tsy ao anaty lisitra no tsy nahazo karatra nefa nanao ny fanavaozana lisitra. Araka izany, tsy nanao fanorenana ifotony ny lisi-pifidianana mihitsy ny vaomiera misahana ny fifidianana matoa maro ireo olona efa maty no mbola tao anatin`ny lisitra, hoy Marc Ramiaranjatovo, ben`ny tanànan`ny kaominina Alasora, kanefa be dia be ny olona te hifidy nefa very zo. Afa-tsy ny lisi-pifidianana dia nahitàna lesoka ihany koa ny fanisana voka-pifidianana isaky ny birao fandatsaham-bato. Nandritra ny fanisam-bato, vetivety no nasehon`ny biletà tokana ka sarotra no manamarina izay vokatra azo ataon`ireo olona manatanteraka ny fanisana. Nohamafisiny hatrany fa tsy ara-dalàna ny fanisana vato teny amin`ny biraom-pifidianana sasany. Raha hiditra fihodinana faharoa ny fifidianana, tsara raha mametraka ny fomba fiasa mangarahara amin`ny fanisam-bato, hoy i Marc Ramiaranjatovo. Anisan`ireo nilaza tamin`ny dimy volana lasa fa tokony hahemotra ny fifidianana i Marc Ramiaranjatovo. Ny antony dia ireo tsy fanarahan-dalàna maro samihafa izay nitranga.  Ny CENI rahateo dia nilaza fa mandeha ara-dalàna sy araka ny lalàna ity fifidianana ity kanefa tsy araka ny teneniny ny zava-misy amin`izao fa dia misedra olana hatrany ka izany no antony no nilazako fa tsara raha hahemotra mba handaminana ireny rehetra ireny. Araka izany, miandry ny zavatra rehetra toy ny hoe iza no hanaiky, iza no tsy hanaiky, samy miahiahy ny zava mety hitranga ao aorian`ny famoahana voka-pifidianana ampahibemaso. Manahy hoe hifandrirotra ny mpifaninana aorian`izay famoahana vokatra izay ity ben`ny tanànan`i Alasora ity. Notsipihany kosa fa manana anjara andraikitra lehibe ny CENI sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana amin`ny famoahana voka-pifidianana ka tsara raha nahemotra ny fifidianana mba nampitony ny mpifidy na ireo kandidà, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A. sy Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT