Efa misy am-polony eo ireo depiote nilaza am-bava fa manan-kevitra ny hiverina indray eo anivon’ny Mapar miaraka amin’i Andry Rajoelina nahalany solombavambahoaka azy, hoy ny depiote Razanamahasoa Christine omaly.
Tokony hataon’izy ireo an-taratasy mazava anefa izay, hoy izy, mba hampazava ny resaka ary mbola ekena ihany izany fiovan-kevitra izany na efa tapitra aza ny fe-potoana nomena azy ireo. Izahay moa, hoy izy, efa nandefa taratasy any amin’ny HCC ka any amin-dry zareo ny baolina ankehitriny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.