Ny faritra avaratra andrefan’ny nosy dia tany Antsohihy, Bealalana, Befandriana Avaratra, Analalava no nanohizan’ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana
fampielezan-kevitra nandritra ny andro faha-4 omaly. Tena ara-bakiteny ny hoe: mampiely ny hevitra sy ny paikady hoenti-mitondra sy manarina ny firenena fa tsy tonga hanao sehoseho ivelany sy hampandihidihy olona amin’ny alalan’ny artista na afomanga na koa hizara vola hividy safidim-bahoaka.
Omena fitaovana ny Foloalindahy
Niresaka momba ny tsy fandriampahalemana, arovana ny olona sy ny fananany, izay mikasikasika ny Malagasy dia ataon’i Dada mahamay satria hiaro ny Malagasy i Dada, raha misy mikasikasika ny tanin’ny Malagasy ka tsy mazava dia mahita a ! Mody dorany ny tranon’olona dia alainy ny tany avy eo, hoy izy, nanao fanoharana amin’ny zava-misy aty an-drenivohitra. Tezitra ary tsy mazoto miasa ny mpitandro ny filaminana satria misy jiolahy voasambotra, avy eo anefa avotsotry ny fitsarana. Fitsarana hitsara araka ny marina, ny lalàna sy ny rariny no tanjona, ka tsy maintsy hamafisina ny ady amin’ny kolikoly. « Tsy maintsy homena fitaovana ny foloalindahy ka hiaro ny vahoaka sy ny fananany sy hiaro ihany koa ny fiandrianam-pirenena », hoy ny kandidà laharana 25. Noresahiny ary nanome toky ny zokiolona fa hotsinjovina manokana, ny tanora sy ny ankizy mianatra dia hahazo fandraisana an-tanana manokana, cantine scolaire, hampanaovina fanatanjahantena… Rehefa tonga eo i Dada, izay fifanarahana tsy ara-dalàna tsy mijanona eto Madagasikara izany fa mody any aminy. Ny vahoaka Malagasy no miara-misalahy mampandany an’i Marc Ravalomanana. Ohatry ny ady ny fifidianana ary tsy maintsy manana kapiteny mpitarik’ady, kinga sy sahy ary mahalala ny zavatra ataony, manana ekipa izy miara-miasa aminy, manana paikady (Manifesto MAP 2).
Ampiakarina ny sandam-bola
Vola baoritra ny ariary, latsaka ambany ny fahefa-mividy..tsy misy lanjany intsony ny vola. Hitantsika ny hevitra hampiakarana io sandan’ny vola Malagasy io. Dada teo amin’ny fitondrana 1 dolara mira 2000 ariary amin’izao fotoana efa manakaiky ny 4000 ariary. Tsy adinoina ny fanamboarana ny lalana, tohizana io tetikasa goavana io, ankehitriny mantsy dia potika tanteraka ny lalana. Voaporofo izao fa azo hohanina ny lalana, mampifandray, hahafahana mamoaka ny vokatra, miasa, hoy izy. Tsara ny manamarika fa vavolombelona sy ohatra velona tamin’ilay hoe: “Amboarina ny lalana eto Madagasikara” ireo faritra nolalovan’i Marc Ravalomanana omaly ireo satria tamin’ny androny no nanamboarana ny lalam-pirenena faha-6, izay fotaka nandrevo nampijaly fahiny, ka tsy hanadinoan’ny vahoaka any an-toerana azy mandrak’androany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.