Nivoaka izao ny resaka fa nividy fiara marika Mercedes tsy laitram-bala any ivelany ny praiminisitra Jean Ravelonarivo
, ary efa nisy mihitsy, araka ny tsiliantsofina re, ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny fiadidiana ny praiminisitra eny Mahazoarivo nalefa tany Dubai mba hijery io fiara io. Nanontaniana ny momba ity raharaha ity ny teny Mahazoarivo saingy tsy nisy afaka nanome valin-teny matotra fa samy niolakolaka avokoa.
Misy mifofo ny aina sa…
Rehefa tsy nandà anefa dia tahaka ny manaiky ihany. Fantatra araka ny fanadihadiana natao fa manodidina ny 250 000 euros na 799 tapitrisa ariary (3,9 miliara fmg) eo no vidin’ity fiara ity. Hatreto aloha, araka ny re, dia Mercedes S 600 no niantefan’ny safidin’ny praiminisitra, manana motera V12 bi-turbo sy tanjaka 530 ch. Anisan’ireo fiara raitra dia raitra tsy laitran’ny bala sy ny grenady (blindé) izy ity. Tsy ny olon-drehetra no mila sy afaka mividy fiara tahaka izany fa olona manana sata manokana, manam-bola, mila fiarovana manokana ny ainy na koa manana tanjona mazava ny ho mpitondra fanjakana ambony any aoriana any. Inona no mety nahatonga ny praiminisitra Jean Ravelonarivo hieritreritra hividy ity fiara Mercedes « blindé » ity ? Atahorana ve ny fiahiana ny ainy sa tena mitombina tokoa ny resaka nandeha tato ho ato izay fa ho anisan’ireo kandida filoham-pirenena amin’ny 2018 izy ? Ankoatra izay, mahaliana ny rehetra koa ny hahafantatra fiavian’ny vola nividianana ity fiara ity. Mety hanao ahoana ny fihetsiky ny eny Iavoloha raha mahafantatra izao ? Re ihany koa mantsy avy amin’ny mpiara-miasa akaiky ny filoha sy ny praiminisitra fa somary marisarisa ny fifandraisana eo amin’izy mirahalahy ireto.
Tratran’ny viriosy
Tena teknisianina no sady mpandraharaha no nahafantarana an’i Jean Ravelonarivo hatrizay saingy hita ho niova sy nahazo tsirony tamin’ny fahefana sy fitondrana izy rehefa nisahana ny andraikitra maha praiminisitra azy. Tsy izy irery fa ireo teo alohany tahaka an’i Monja Roindefo sy Camille Vital dia tsy nionona tamin’ny naha praiminisitra azy ireo fa lasa kandida filoham-pirenena taty aoriana. Ho tratran’ny viriosy nahazo azy ireo koa ary ve ka hitifi-danitra koa i Jean Ravelonarivo ? Mbola mitohy ny tantara !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.