Politique

Manohitra marindrano ny fanavakavahana atao amin’ny lafiny rehetra na ara-piaviana, volonkoditra, firazanana i Révérend Satrobory.


  • Alatsinainy 18 Aogositra 2014

Samy Malagasy ny mponina eto amin’ity Nosy ity, hoy ity mpanorina ny antoko AMF/3FM ity ka afaka mirotsaka hofidiana amin’izay tany honenany sy tiany hotantanana fa ny vahoaka sy ny tantara no hitsara azy eo.

Nahitana zazarano teo amin’ny toerana fanasan’ny olona lamba tsy lavitra ny FJKM ao Moramanga omaly alahady antoandro. Vavy kely, sahabo ho valo volana, efa hary tongotra aman-tanana izy ity. Ny Fokontany no nandray an-tanana ny fandevenana azy taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitandro ny filaminana, izay nanokatra fanadihadiana avy hatrany hikarohana ny reniny.

Nitarina hatramin’ny zoma 22 aogositra ny fara-fandraisana antontan-taratasy hahazoana karatra maha mpanao gazety, raha tokony ho nifarana tamin’ny 15 aogositra lasa teo. Ho fitsinjovana ireo mpanao gazety any amin’ireo faritra saro-dalana no antony.

Hiakatra fitsarana ao Betroka rahampitso talata ny raharaha nitorian’ny depiote voafidy tao an-toerana Randrianasolo Jean Nicolas ny Ben’ny tanànan’i Betroka noho ny voalazan’ny mpitory fa “faniratsirana azy imasom-bahoaka sy fandrahonana ho faty”.

Nahitana fitohanana fiarakodia tetsy Ankadimbahoaka akaikin’ny tobin-tsolika Galana omaly hariva tokony ho tamin’ny 5ora 30. Ny antony dia noho ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny an-toerana. Olona nandeha  an-tongotra no voadonan’ny fiara mitondra ny marika avy any Toliara. Voalaza fa tapaka ny tanan’ilay mpandeha ka efa nentina any amin’ny hopotaly.

Hanomboka anio alatsinainy 18 aogositra ny fanadinana SEMIPI (sekoly miaramilam-pirenena) 2014. Anio sy rahampitso talata ny “visite médicale” eny Fiadanana (RTS). Fanatanjahantena kosa ny alarobia ka ny 100m sy 1.000m no hatao eny Betongolo. Ny alakamisy  sy zoma kosa nohanaovana ny adina an- tsoratra eny amin’ny collège Sainte Chantal Soanierana. Manerana ny renivohi-paritany enina izy io miampy an’i Morondava sy Faradofay.                              

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT