Niverina ho henjakenjana ara-pitenenana indray ny etsy amin’ny kianja Magro Behoririka hatramin’izay nandrenesana ny hafatry ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ny faran’ny herinandro teo izay
Aoka tsy hilingilingy any amin’ny CCI hamonjy izany « convention du 14 octobre » izany ny filohan’ny TIM satria ny fanasana dia amin’ny anaran’ny antoko fa tsy ny filohan’ny antoko fa hanahirana ny rehetra ny mahita anao any. Aoka izay ny fitapitaka atao amin-dRavalomanana hoe mandeha tsara ny « négociations » fa mitovy amin’ny tranga nilatsahan’i Neny hofidiana izany. Ny ilaina izao dia ianareo depiote ankolafy Ravalomanana miady mafy ny fodiany ary raha miala PMP ianareo dia rava ny birao maharitra fa tsy hilaza teny hafa Ravalomanana. Matahotra io tranga io ny filoha Hery Rajaonarimampianina satria hotatazan’ny Mapar eo indray ny toerana ao amin’ny birao maharitra. Ampidiro any Toliara Ravalomanana, hoy i Toliara fa hiaro azy izahay. Mahavarina ihany ny fihetsiky ny depiotentsika, hoy i Zafilahy Stanislas, satria na efa voalaza mialoha aza hoe hiteny ny raiamandreny dia tsy hita izy ireo fa rehefa i Jaovato no miantso any an-tany lavitra any dia ireo ry zareo. Mba tongava ihany manome haja ny raiamandreny iraisana. Dia tsy miampita ny resaka ary tokony ho isika zanany no “fusible” fa tsy tonga any aminy ny herinaratra mahery. Tena akaiky ny fodian’i Ravalomanana matoa ny Mapar maka fon’ny vahoaka eran’ny tanàna, tsy niandry ela koa ny HVM fa namorona ny 14 oktobra mba hampitovy fomba fijery.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.