Politique

Manjakandriana Manantena azy hatrany


  • Talata 04 Septambra 2018

Tany Carion sy Manjakandriana ny kandida Marc Ravalomanana omaly nandalo sy nijery ny zava-mitranga eny ifotony. "Hamelona" no andraikitr'i Dada,

manangana fa tsy mandrava. Manàna fanantenana fa hiposaka ny masoandro. Minoa fotsiny ihany, hoy ny hafany tamin’ny vahoaka. Tetsy an-daniny, nisy ny fahadisoam-panantenan’ny vahoaka momba ny kandida iray notohanana tamin’ny taona 2013, izay namadika sy niova loko hatry ny ela, ka ambaran’ny olona ho tanalahy ara-poto-kevitra. Fantatro fa be alahelo ianareo, ary hesorintsika ireo, hoy i Marc Ravalomanana. Ny alahelonareo voalohany indrindra, dia ny hoe ianareo tsy mila tanalahy, ka tsy hitondra tanalahy aty akory izahay. Amin’ity tena izy amin’izay. Tena i Dada amin’izay izao, hoy izy. Nanantitrantitra i Marc Ravalomanana mba hitandremana tsara tsy hanimba zavatra. Niara-dia taminy ireo depiote sasany lany tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara, toa an-dry Maitre Hanitra Razafimanantsoa, Félix Randriamandimbisoa, Mamy Rabenirina,… Hafaliana hatrany no nandraisan’ny vahoaka an’i Marc Ravalomanana, ka tamin-kafaliana sy tamin’ny fo feno fanantenana no niredonana ilay hira faneva “ka sahia handeha hiara-dia” !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT