Politique

Manjakandriana, Anosibe an’Ala, Mahanoro,… Mahatoky an’i Dada ny vahoaka


  • Talata 23 Oktobra 2018

I Manjakandriana no nanombohan’i Marc Ravalomanana ny fampielezan-kevitra omaly. Mahatoky sy mino aho fa tsy miova ny fifampitokisana eo amintsika.

 


Tantsaha toa anareo aho ka tsy vaovao amiko ny manjo anareo, hitondra fampandrosoana ho an'ny tontolo ambanivohitra aho, hoy ny ampahany tamin’ny fanomezan-tokiny ho an’ny vahoaka tsy tambo isaina. Nitohy tany Anosibe An’Ala, izay nilazany fa reny ny fitarainan’ny vahoaka noho ny faharatsian'ny lalana, mitaraina ianareo ray aman-dreny noho ny fahasarotana amin'ny fampidirana ny mpianatra. Efa manana paik'ady i Dada hampandrosoana ny firenena. Voasoratra ao anatin'ny fanamby sy fanomezan-toky ny "manifesto" fa "amboarina indray ny lalantsika" haintsika izany, haverintsika ihany koa ny tetikasa fampianarana ho an'ny rehetra dia ny fampitaovana ny "kits scolaires", famerenana ny hasin'ny mpampianatra, hoy hatrany izy. Nankasitraka ny vahoakan’Alatsinainy Bakaro ihany koa izy. Tsy adinoko mihitsy ianareo eto. Na dia betsaka aza ny lalana mbola halehanay dia tsy nanaiky aho raha tsy mandalo eto aminareo, hoy ny kandida faha-25. Hitako ny fitiavanareo an'i Dada. Manome toky anareo aho fa hamerina indray ny fandriampahalemana, hamerina ny rafitra fitsaboana, hampitombo ny fidiram-bola, hanangana fotodrafitrasa, hiantoka ny fitsinjarana sy fanapariaham-pahefana tena izy, hamerina ny fitokisan'ny vahoaka amin'ny mpitondra, hiaro sy hanatsara ny tontolo iainana, hanome lanja ny soatoavina sy hambom-po Malagasy, hanatsara ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa amin'ny mpiara-miombon'antoka. Tao Mahanoro kosa dia nanazava ilay fanomezan-toky hatao amin'ny vahoaka Malagasy dia ilay "manifesto" izy. Izy io dia mifandraika amin'ilay vina sy paik'ady ao anatin'ny MAP 2. Hitondra fampandrosoana ho anareo no tanjoko. Ireo drafitrasa rehetra entiko dia efa voadinika tsara sy hahitana famatsiam-bola avokoa, noho izany dia hipaka mivantana aminareo ety ifotony io vina MAP 2 io, hoy izy tao Vatomandry. Nanentana ny handehanana mifidy izy tamin’ireo toerana notsidihiny ireo sy ho an’ny Malagasy rehetra satria ny tanjona, hoy izy, dia fampandaniana syfampandresena an’i Dada. Nanazava ny fampiasana ny biletà tokana, izay tsy maintsy misy ny sonian’ny delege roa ao ambadika. Notsindriany ny tsy tokony hifanilikilihana satria hiasa miaraka isika.  Ankoatra ireo toerana notetezin’i Marc Ravalomanana, dia saika nihetsika sy nafana ny fampielezan-kevitra tamina faritra maro teto amin’ny Nosy, toy ny tany Soavinandriana Itasy notarihin-dry depiote Hanitra Razafimanantsoa, Félix Randriamandimbisoa,… izay vahoaka tsy tambo isaina no naneho ny fanohanany ny kandida faha-25 ary handatsa-bato ho azy amin’ny 7 novambra.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT