Miantso ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina hiroso lalina kokoa amin’ny fampihavanana ary hiresaka sy hiara-kiasa amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny
Amerikanina tamin’ny alalan’ny mpiraki-draharahany eto amintsika Atoa Stephen Anderson izay tafaresaka fohy tamin’ny mpanao gazety omaly. Mahavelom-bolo anay ny fahitana fa mazoto amin’ny fampihavanam-pirenena ny filoha voafidim-bahoaka, hoy ity mpiraki-draharaha ity ary tena ampirisihanay izy hiroso lalina kokoa amin’ny resaka fampihavanana. Fomba firesaka diplaomatika moa ny an’i Stephen Anderson, fa raha tsorina ny resaka dia manao tsindry mafy amin’ny filoha am-perinasa mba hiroso amin’ny fampihavanam-pirenena i Etazonia, ary mitaky ihany koa ny famotsorana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy hahafahany miverina eo amin’ny sehatra politika ary mikaroka ny hevitra hampandrosoana an’i Madagasikara miaraka amin’ny fitondrana misy ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.