Diso tanteraka ny filazana tamina haino aman-jery iray teto an-drenivohitra fa nitsolantsolana fa tsy nahazo fanasana akory hanatrika ny lanonana nanamarihana ny fetin’ny fahaleovantena ny zoma 26
jona lasa teo ny filoha nasionalin’ny antoko MFM.Tena misy ny taratasy fanasana mazava azon’i Manandafy Rakotonirina hoy ny sekeretera jeneralin’ny MFM Olivier Rakotovazaha ka tonga nanatrika ny lanonana izy noho izany.Atao izao fanamarihana izao mba hampisy ny mangarahara sy hampazava tsara ny toe-draharaha hoy ny MFM satria dia misy mihitsy ny minia manaparitaka vaovao diso.Efa fomba nahazatra hatry ny ela moa ny hoe mahazo fanasana ireo lehiben’antoko politika, na manampahefana teo aloha rehefa amin’ny fetim-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.