Miharihary ny tsy fahamatorana misy eo amin’ny mpanao politika Malagasy amin’izao fotoanan’ny fampielezan-kevitra izao.
Ny maha menatra dia amin’ireo kandida mirehareha ho favori sy fatra-panatosaka volabe indrindra amin’ny 35 mpifaninana aminy mihitsy no tena hita ho manana fomba fanao politika mikivalavala. Efa tonga amin’ilay fitenin’ny tanora hoe “hanalana sisa” ao anatin’ny tambajotran-tserasera ao ireo lazainy fa ho fandaharana sy vinan’asany satria dia hita ho tsy misy miteha-tany fa toa fampanofisana am-pitsanganana avokoa. Ny firenena aza mbola mila fanarenana goavana sy tanteraka dia any amin’ny resaka manidintsidina toy ny fananganana trano feno rihana maro dia maro sy ny lamasinina haingam-pandeha ary toeram-piantsonam-piara any amin’ireo sekolim-bahoaka ny azy no hirahirainy. Tsy hay hoe ataon’ny ray aman-drenin’ny mpianatry ny EPP sy ireo kilonga inona moa toeram-piantsonam-piara nefa ny ao am-bilaniny aza manahirana azy? Miavaka eny foana ny kandida efa ampy traikefa sy ny tsy niomana fa na dia ny vinany aza kitoatoa. Halain’ity kandida ity tahaka koa ankehitriny ny fintim-binan’ny kandida laharana faha-25, Marc Ravalomanana, na ilay antsoina hoe “Manifesto”. Asa hoe “manifesto copie collé” ve no iantsoana ny an’ity kandida mpanao dika mitovy ity ? Ny mahatsikaiky sy mahasorena ary tena hita fa famitaham-bahoaka ao anatin’ilay “manifesto halatahaka” anefa dia lasa nitovy ny vina laharana faha-5 sy faha-6 amin’ireo vina miisa 13 an’ilay kandida naka tahaka raha niseho tamin’ireo gazety mpiseho isan’andro indray andro. Na ny fehezanteny aza mitovy kanefa takelaka mifanohy no misy azy. Noho ny hamehana ve no antony sa hakamoan’ilay mpikirakira solosaina ? Sa dia tena izay mihitsy ilay vinan’ity kandida ity ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.