Nolanin’ny mpikambana fototra eo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tamin’ny fomba demokratika ho kandidà hitondra ny fanevan’ity antoko naorin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ity, ao amin’ny Kaominina Mandrosoa Andramasina Ranarison S. Tanora mpitarika fikambanana any an-toerana ity farany.
«Efa nahavita nanorina fotodrafitrasa maro samihafa, toy ny tetezana, sekoly, fampidirana rano fisotro madio, toeram-pidiovana, fampivoarana ny fiainam-piveloman’ny tantsaha amin’ny alalan’ireo tetikasa madinika izy… Fa eo koa ny traikefa ananany amin’ny fifandraisana sy ny fandresan-dahatra ireo mpiara-miombona antoka vahiny», hoy ireo mpikambana eny ifotony nanazana ny antony niantefan’ny safidin’izy ireo tamin-dRanarison. Nandefa solontenan’ny tanora avy any Mandrosoa Andramasina avy hatrany, nihaona tamin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana teny Faravohitra ity kandidà ity, omaly nandray ny toromarika rehetra hiatrehan ny fifidianana, sy ny fampahafantarana ny vina sy ny fandaharanasan’ny kandidà, miaraka amin’ireo mpanolotsaina tarihiny.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.