Politique

Manandrana mitondra ?


  • Talata 16 Septambra 2014

Maro ankehitriny ny olona manomboka resy lahatra fa tena kitoatoa ity fitondrana ity. Tsy misy zavatra mandeha amin’izay laoniny mihitsy mantsy ary mibaribary be ny fitavozavozan’ny mitodra, eny fa na dia amin’ny resaka serasera fotsiny aza.

Omaly fotsiny ohatra, dia vao maraim-be no nahafantarana tamin’ny alalan’ny tranokalan’ny repoblika Frantsay fa ho any Frantsa ny filoha Rajaonarimampianina amin’ny zoma, alina ihany anefa ny andro io omaly io, fa tsy mbola namoaka vaovao ofisialy momba izany i Iavoloha na Ambohitsorohitra. Ampahany fotsiny io fa tena maro be ny porofo ampy ilazana fa tsy mahay serasera mihitsy ity fitondrana Rajaonarimampianina ity, kanefa dia mbola misy ihany ny manampahefana mila ady amin’ny mpanao gazety izay vonona hikaroka sy hampita ny vaovao. Mazava ny resaka eto fa 8 volana teo amin’ny fitondrana,  tsy mahay ny asany ihany ny mpitondra fa miana-draharaha na mianatra mitondra. Ny fahasahiranan’ny vahoaka anefa efa an-tenda kely. Misy moa ny minisitra sasany dia tsy hita tabilao mihitsy, sady moana no marenina, tena tsy misy asa atao ve dia tsy manan-kambara sa variana manao inona e ? Ny sasany indray tonga dia manondrana vao miloa-bava, tsy mahafehy ny fihetseham-pony, tena hita mihitsy hoe olona tsy natao hitondra fanjakana. Maro ny olona  no efa mionona fa tsy misy azo antenaina amin’ilay fitondrana, ka izay irodanany sisa andrasana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT