Politique

Manandafy Rakotonirina Tsy mahazo mivoaka maharitra any ivelany


  • Zoma 28 Novambra 2014

Raha nandray ny fiaramanidina ho any Paris omaly maraina ny Prezidà Nasionalin'ny Antoko MFM Manandafy Rakotonirina dia saika tsy navelan'ny mpitandro ny Filaminana eny amin'ny seranam-piaramanidina hiondrana hamonjy ny Fivoriamben'ny Tambajotra

Afrikanina momba ny Fahafahana sy Fahalalahana (Réseau Libéral Africain) hatao any Marrakech any Maroka ny 27 ka hatramin'ny 30 Novambra 2014.Nolazain'ireo polisy miandraikitra ny sisin-tany fa tsy maharitra ny  fahafahan'ny Filoha Lefitry ny "Internationale Libérale" Manandafy Rakotonirina mivoaka an'i Madagasikara (Levée temporaire). Mbola ny raharaha 2009 no antony ipetrahan'io "Interdiction de Sortie du Territoire"io, araka ny fantatra . Imbetsaka ihany moa Atoa Manandafy Rakotonirina no nivoaka namonjy fivoriana toy izao saingy nampiasa "passeport diplomatique" izy amin'ny maha mpikambana  azy ao amin'ny Filankevitra Ambonin' ny Tetezamita (CST) teo aloha. Mazava ho azy fa tsy maintsy hiresaka ny toe-draharaha eto amin'ny firenena izy mikasika ny fivoahana amin'ny krizy eto Madagasikara, indrindra fa mikasika ny Fodian'ny Filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy mikasika ny fihavanam-pirenena. Marihina fa mpikambana ao amin'ny "Réseau Libéral Africain" ny Antokon'ny Filohan'ny Côte d'Ivoire Alassane Ouattara sy ny Antokon'ny Filohan'ny Sénégal Macky Sall. Samy Filoha Lefitry ny "Internationale Libérale" toy ny Filohan'ny Antoko MFM Manandafy Rakotonirina ihany koa ireo Filoham-panjakana roa voalaza ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT