Politique

Manandafy Rakotonirina « Tena fanonganam-panjakana ny tamin’ny 2009»


  • Zoma 14 Desambra 2018

Matotra kokoa sy azo ianteherana ny manodidina an’i Marc Ravalomanana noho ny an-dRajoelina satria fantatry ny olona ny nataon’ireo nandritra ny tetezamita, hoy ny filoha nasionalin’ny MFM Manandafy Rakotonirina omaly.

Nambarany fa ny olona tsy azo fitahana intsony amin’izay lafiny izay. Manoloana ny afitsok’i Norbert Lala Ratsirahonana izay voalaza fa hanao ampamoaka, toetra ratsiny ny « tsy mitaingana soavaly maty », araka ny fiteniny ka any amin’izay misy ny tombontsoany no alehany, hoy i Manandafy. Tsy fahotana izany saingy tsy ny tombontsoam-bahoaka no mibaiko azy fa ny azy manokana, raha ny heviny. Mikasika ilay vola 5 miliara nomen’i Marc Ravalomanana hanamboarana ny Lapan’ny tanàna, dia izy no vavolombelona nanatrika an’iny, izay ambaran’ny fampahalalam-baovao fa handainga hiaro an-dRajoelina. Manamafy ny fanohanana an’i Marc Ravalomanana ny MFM, izay nohamafisiny fa efa tamin’ny 2002 izy ireo no niaraka. « Tsy marina ny hoe « Auto-proclamation » satria ny Vondrona iraisam-pirenena no nankato an-dRavalomanana voalohany: nosantarin’ny Amerikanina dia avy eo tonga ny frantsay; ireo no lehibe indrindra tamin'ny Sehatra iraisam-pirenena hatramin'izay, ireo no nanaiky hoe Ravalomanana no hitondra », hoy izy. Nanamafy ny tenany fa tena fanonganam-panjakana ny nisy tamin’ny taona 2009. Notsiahiviny ny tantara dia ny fisian’ny depiote sy loholona 109 nifidy sy nanendry azy ho praiminisitra, izay neken’i Marc Ravalomanana. Tonga niresaka taminy ny frantsay ary nanontany izay atao. Tsotra ny navaliny dia ny hoe: “ianareo Frantsay no miantoka ny fiaramanidina, dia alaina avy any Afrika Atsimo i Marc Ravalomanana fa izahay no miantoka miaramila”. Valin-teny azo tamin’izay dia ny hoe: “mahazo manofy ianao fa tsy hiverina eto intsony Ravalomanana”, kanjo izy izao tafaverina ka arahaba soa arahaba tsara, fa nandaitra ny tolona natao tao amin’ny Magro isan’andro. Anjaran’ny vahoaka Malagasy amin’izay ny mampiseho fitokisana, hoy i Manandafy Rakotonirina. Manoloana ny adihevitra hifanaovan’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ny alahady 16 desambra izao, moa dia ny fanazavana tsaratsara kokoa ny programa no tena andrasany satria tsy dia mazava amin’ny olona, ary hahafantaran’ny olona ihany koa hoe: manao ahoana ny manodidina azy ireo.

 

Toky R sy Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT