Tonga teny amin'ny foiben-toeran’ny K25 etsy Bel'air ny filohan’ny MFM, Manandafy Rakotonirina sy ireo mpiara-dia taminy omaly alatsinainy 03 desambra ary noraisin’ny kandida Marc Ravalomanana tam-pitiavana.
Nanao fanambarana lehibe tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina izy avy eo fa hanohana ny Lah-25 amin’ny fihodinana faharoa. Tapa-kevitra ny hanohy ny fiaraha-miasa efa nisy tany aloha izy ireo. Izahay MFM dia efa namoaka fehin-kevitra mikasika ireo Nosy manodidina na ny “Iles Eparses” tamin’ny taona 2015 nivoahako ny hopitaly, naterina tamin-dRavalomanana, Ratsiraka ary Rajaonarimampianina. Mahita ihany koa hoe ny zavatra ohatr’izany dia tsy hataon-dRajoelina mihitsy satria ny mpanolotsainy aza olona avy amin’ny Forces Françaises de l’Océan Indien miaro ny tombontsoan’ny Frantsay raha ny fanehoan-kevitr’i Manandafy Rakotonirina omaly. Ravalomanana efa taloha no niresaka taminay hoe hanao Ravalomanana be dia be, ary izao dia mbola manome toky fa hanao izany, hoy ity filoha nasionalin’ny Mafana ity. Tsara ny nampahatsiahy fa tany aloha izy dia efa vaky vava fa raha misy Ravalomanana kely be dia be eto amin’ity tanintsika ity dia handroso haingana ny firenena. Anisan’ny lesona notsoahina tamin’izany ny tetikasa ara-pihariana isan-karazany nanampiana ny Malagasy, toy ny fiompiana ombivavy be ronono. Ankoatra izay, zava-dehibe ny fanohizany ny fampandrosoana izay efa nisy tamin’ny andron-dRajaonarimampianina. Hisy ny fifidianana samihafa mbola ho avy, dia ny solombavambahoaka, ny ben’ny tanàna, ny fokontany,… ary anisan’ny tena derain’izy ireo ny endriky ny fitsinjaram-pahefana tena izy hotanterahin’i Marc Ravalomanana miainga amin’ny fanavaozana ny lalàmpanorenana. Handray andraikitra amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana araka ny tokony ho izy. Tamin’ny androny izao no nananganana ny faritra 22, fony izahay depiote, ary tianay hamafisina io, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.