Politique

Manandafy Rakotonirina Notapahana ny tongony an-kavanana


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2015

Notapahana ny sabotsy teo teny amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona ny tongotra havanan’i Manandafy Rakotonirina, filohan’ny antoko Mfm.

 

Ny zoma lasa teo izy no nentina namonjy hopitaly rehefa hitan’ny fianakaviana fa tsy netinety. Rehefa vita ny fizahana teny amin’ny hopitaly dia fantatra fa misy ny ra mivaingana, lasa toy ny vato ka manentsina ny lalandra. Tsy fantatra ny antsipirihan’ny nahatonga ny aretin’ny filohan’ny Mfm fa raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray dia amin’ny ankapobeny ny ra feno tavy sy misy loto vokatry ny fifohana sigara na loto avy amin’ny sakafo hafa hanina no matetika mampivaingana ny ra. Ny sabotsy tamin’ny telo ora maraina no vita ny fandidiana azy tetsy amin’ny HJRA. Manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly izy, ary matanja-tsaina tsara araka ny filazan’ireo manodidina azy.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT