Politique

Manampy betsaka ny CENI ny EISA


  • Sabotsy 15 Desambra 2018

Nanatanteraka hetsika fanentanana ho an’ny olom-pirenena Malagasy tsirairay avy ny fikambanan’ny tanora mianatra eny amin’ny oniversite mivondrona ao amin’ny AU Projet omaly zoma 14 desambra.

 

 

 

 Miara-miasa amin’ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena EISA izay vatsian’ny tetikasa SACEM vola izy ireo. Ny tanjona dia ny hampihena ny tahan’ny vato maty sy ny vato fotsy. Ankoatra izay dia ezahina ihany koa ny fampiakarana ny tahan’ny mpifidy amin’ity fifidianana fihodinana faharoa ity mihoatra ny tamin’ny fihodinana voalohany. Araka izany dia tena fanohanana ny asan’ny vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana (CENI) no ataon’izy ireo amin’izao hetsika fanentanana faradoboka izao. Ankoatr’izay dia nisy ny fanaovana «caravane » nitety faritra maro tahaka an’Ambohijatovo, Ankorondrano, Manjakaray hatreny Andohalo nandresen-dahatra ny olom-pirenena haneho ny safidiny. Mbola hitohy ny hetsika anio ary hiezaka handrakotra ny faritra izay tsy mbola nolalovana omaly izy ireo amin’ny alalan’ny fizarana taratasy kely fanazavana (flyers) sy ny firesahana mivantana amin’ny tsirairay.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT