Politique

Manamafy ireo depiote TIM Ravalomanana no hanavotra ny firenena


  • Talata 31 Jolay 2018

Nidina ifotony tany Soavinandriana ny depite Tiako I Madagasikara (TIM) ho an’ny fanovana nitondra ny hafatry ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, nanamafy ny haha kandida azy hofidiana filoham-pirenena amin’ity 2018 izy, ary vonona hanavotra ny firenena izay latsaka ao anaty kizo.

Mbola ho avy any an-toerana izy amin’ny fotoana manaraka araka ny tatitr’ireo depiote, izay nahitana an-dry Hanitra Razafimanantsoa, Félix Randriamandimbisoa, Voahangy Randriamanarivo, Mamy Rabenirina,... Niara-dia tamin’izy ireo ihany koa ny minisitra Guy Rivo Randrianarisoa, izay tao anatin’ny depioten’ny fanovana fony izy mbola depiote. Namaly ny vahoaka tao Soavinandriana fa tsy miala amin’i Marc Ravalomanana. Ao anatin’ny fametrapetrahana ny paikady rehetra hiatrehana ny fifidianana izany ny TIM amin’izao fotoana ary efa mazava sy tsy misy ahiahy intsony fa i Marc Ravalomanana no ho kandida. Andrasan’ny rehetra kosa ny fotoana hametrahany ny antontan-taratasy eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), ka haha ofisialy tanteraka ny maha kandida azy. Kandida atahoran’ny mpifandrina, indrindra i Marc Ravalomanana, ka tsy hay izay mety ho kajikajy politika mbola ho avy eo satria iaraha-mahita ny sompatsompatra hatramin’izay ka hatramin’izao. Tsy fandokafana be fahatany fa tena kandidam-bahoaka i Marc Ravalomanana ary tadiavin’ny Malagasy satria miteny ho azy tantara hatramin’ny nahazoana fahaleovantena, raha ny zava-bita sy ny fampandrosoana no hifampitsarana, ka ny fanakanana azy dia midika fananganan’ady amin’ny vahoaka.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT