Politique

Manaitra ny Magro Behoririka “Vola izao no miteny fa tsy fitiavan-tanindrazana”


  • Talata 16 Septambra 2014

Raha ny alahelo no hotazonina sy iainana dia tsy hivoaka amin’ny krizy mihitsy ny tany iray fa tsy maintsy mifandefitra, hoy Raobelina Fenomanjato tetsy amin’ny kianjan’i Magro Behoririka omaly alatsinainy 15 septambra.

Tsy hoe ianareo izao no mitondra dia amin’ny fotoana tianareo anaovana ny fampihavanana na amin’izay eritreritrareo mpitondra samy irery no hanaovana azy fa tsy maintsy mifanandrify amin’ny ilana azy ary efa miasa ny FFKM ka isaorana azy ireo. Ho potika ny firenena raha any am-ponja na ho sesitany foana no famindrana fahefana eto. “Fifampiresahana mialoha ny fampihavanana vao fampandrosoana iarahana hatao », hoy i Zafilahy Stanislas no ilain’ity firenena ity. Ny sinoa no hampiasa vola fa tsy omen’ny fanjakana hotantanany akory izany vola izany ary mbola mijery ny rivotra politika indray aza izy aloha. Niresaka na tany ivelany na teto an-toerana ny mpanao politika fa tsy mbola sitrana ny aretina, ny tany izao efa lasan’ny vazaha ary izay tsy miaro ny tombontsoam-bazaha dia ailika, izany no mahazo an’i Marc Ravalomanana izao. Vola izao no miteny fa tsy fitiavan-tanindrazana. Isaorana ny FFKM amin’ny asa sy ezaka ataony fa mba tsy ho i Kotozafy ihany no Alexis ka mitovy i Andry Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina. Mihavana amin’ny taniny sy amin’ny teniny ny Malagasy hahafahany mandroso ary manana ny maha izy azy, tsy tokony ho isika Malagasy tompon-tanindrazana no hiafiafy sy haka sisiny ka tsy maintsy misy aloha ny fampiresahana. Tsara ilay hoe “mahavita tena” raha tena hahavita tokoa fa raha izao mitranga eto amin’ny firenena izao dia azo ambara fa hambom-po diso toerana fotsiny izany. Miankina amin’ny mpitondra ny fisian’ny fitoniana sy fampandrosoana eto tanindrazana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT