Fantatra izao fa tsy afaka niainga ary nivoaka an’i Madagasikara ny fiaramanidina manokana nitondra ilay mpandraharaha mpanefoefo tompon’ny Goupe SODIAT Mamy Ravatomanga
. Nisy mantsy ny taratasy nivoaka izay manamarika fa naato aloha ny fahazoan-dalan’ireo fiaramanidina madinika misidina ny lanitr’i Madagasikara, raha tsy mahazo fahazoan-dalana manokana. Araka ny tsiliantsofina re dia nikasa ny ho any ivelany Atoa Mamy Ravatomanga saingy tsy afaka noho io fepetra manokana. Ankoatr’izay dia fantatra misy ny taratasy navoaky ny fitondram-panjakana izay mandidy ity mpandraharaha ity tsy hivoaka ny an’i Madagasikara,tahaka ny natao tamina teratany Karana iray ihany koa .Mifanandrify indrindra amin’ilay raharaha Lanto Rakotomanga izao tranga izao, ity depiote Mapar ity izay tsaboina eny amin’ny Polyclinique Ilafy amin’izao fotoana, toeram-pitsaboana izay anisan’ny orinasan’i Mamy Ravatomanga ao anatin’ny Groupe SODIAT.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.