Politique

Mamy Ratovomalala “Tena tsy matotra Rajoelina”


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Olona akaiky an’i Andry Rajoelina teo aloha ary sady efa minisitry ny harena ankibon'ny tany sy ny solika tamin’ny tetezamita Atoa Mamy Ratovomalala.

 

 

Tsy "aventure " toy ny nataon-dRajoelina tamin'ny taona 2009 ny fitantanana ny firenena ka hanaovana tetikasa mamiratra sy vita sary miaraka amin'ny fahaizana miresaka fa tena mila olona matotra, tsy miovaova ary manana fanapahan-kevitra hentitra, hoy izy tao amina fahitalavitra iray ny sabotsy teo. Ny sary asehon-dRajoelina no miova fa izy sy ny ekipa miaraka aminy dia ireo teo aloha ihany ka gaga ny tenany raha hahita fiovana amin'izany. Mampanantena hanao buildings, tramway, hanova tanàna ho tahaka an'i Miami, Paris.... Fomba fiteny izay tsy niova fa tahaka ny tamin'ny Tetezamita ihany : hanao cimenterie, tramway, éolienne,… fa nijanona ho nofy sy kabary fotsiny, hoy izy. Raha ireo tetikasa voalaza ireo dia tena nisy, saingy vao tetikasa ilay izy dia maika be navadika ho sary sy nanaovana "communication" kanefa tsy nisy "études de faisabilité" na "études financières" akory, raha ny nambarany. Milaza ohatra, fa hanao Tramway nefa fantatra fa mila herinaratra be ny mampiasa izany. Ny olan'ny Jirama sy ny fisian'ny delestazy ary ny fahanteran'ny fotodrafitrasa aza tsy voavaha. Mitovy daholo ny vidin'ny tramway maneran-tany fa tsy misy samihafa ka ho takatsika ve izany ? 1,80 euro ny mitaingina izany any ivelany, eto amintsika saram-pitaterana 500 aza efa lafo. Ny lalamby efa antitra be sady tsy mitovy ny haben'ny lalamby handehanan'ny tramway sy ny lamasinina. Ny tsena mora izao dia tsy naharitra satria maika nanao sary tsara tarehy sy filazana mipoapoaka fa tsy nodinihana tsara ny famatsiana azy sy ny fomba hihodinany maharitra fa lasa tefimaika sy vonjy tavanandro fotsiny ihany. Mila fampandrosoana tsy mitanila ny tanàn-dehibe rehetra eto Madagasikara ary fampandrosoana mifanaraka amin'ny hetahetan'ny olona sy ny zava-misy isam-paritra fa tsy resaka nofy izay tsy ho tanteraka akory. Fehiny, aoka tsy hatao andrankandrana ny fitondrana firenena ka hampanantenaina karazana tetikasa izay tsy ho vita ny vahoaka, hoy i Mamy Ratovomalala izay marihina fa resy lahatra sy nanolo-tanana an’i Marc Ravalomanana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

Hijery ny tohiny
FTT