Nanao fanambarana ny teo anivon’ny KMMR na ny Komity Mpanohana an’i Marc Ravalomanana, tamin’ny alalan’ny Talen’ny Fampielezan-kevitra Tsehenoarisoa Rabenja omaly noho ny fanambarana hafahafa ataon’ny kandida milaza tena sy mitonon-tena ho mpandresy.
Zavatra telo lehibe no nambarany, dia ny raharaham-pifidianana filoha, ka nilazany fa tsy raharahana jiolahim-boto ny raharaham-pifidianana filoha. Izahay nandritra iny tontolo andro iny dia niatrika fomba hafahafa, fomba fiasa sy fomba fandresen-dahatra olona hafahafa, hoy izy. Vata fandatsaham-bato feno tany Marovoay, vata angalarina olona manao fanamiana miaramila kanefa tsy miaramila tao Sabotsy Namehana. Misy andiana tompon’andraikitra miaraka amin’ny “badge” an’ny CENI miaraka amin’ny tompon’andraikitra ara-panjakana mihaodihaody eran’ny tanàna mandresy lahatra ny olona hoe aza mandeha mifidy. Tena tsy maotina ny fomba ohatr’izany, hoy ny Filohan’ny KMMR, ary dia teneninay fa manakaiky ny toetran’ny olona tsy mendrika ny hitantana fanjakana. Ny fahatelo, dia ny KMMR izay manohana ny kandida Marc Ravalomanana dia manana ny fomba maoderina rehetra hahafahana milaza ny voka-pifidianana amin’ny fotoana ilana azy. Ankehitriny izahay dia milaza fa manana ny 70%-n’ny voka-pifidianana efa eto aminay ary manana angidim-by izahay hanangonana ny fitanana an-tsoratra, ka ny foibe dia manana ny fitaovana rehetra ara-elektronika mba hahafahana manao ny voka-pifidianana, kanefa dia hajainay ny lalàna ary milaza izahay fa ny CENI no napetraky ny lalàna hamoaka ny voka-pifidianana, dia antintranterinay fa ny governemanta sy ny CENI, dia tokony haka fepetra faran’izay henjana amin’ny fanasaziana ny kandida izay mandika lalàna toy io satria efa betsaka loatra izay fandeferana nataon’ny kandida Marc Ravalomanana izay. Lisitra tsy manjary, ny anaran’ny mpitolona tao aminay nesorina tao anaty lisitra, araka ny baiko izay nomena tany amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra tany. Ny tanora 18 taona izay noraisina ho toy ny andian-jiolahy ka tsy mahazo mifidy satria ny CENI sy ny governemanta tsy nametraka ny fotoana hifidianana ny filoham-pirenena satria tsy tafiditra tao anaty fanavaozana ny lisi-pifidianana. Aoka isika mba hahatsiaro fa io fandeferana io misy fetrany ihany ny fahazoana manery ny olona hanao izany, ka ankehitriny izahay dia miteny hentitra amintsika rehetra fa ny vahoaka Malagasy dia tsy manaiky intsony ny tsy mety sy tsy mendrika toy izao atao eo anatrehan’ny fanatanterahana fifidianana izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.