Politique

Mampitandrina i Rivo Rakotovao “Tsy tetezamita izao ka hoe samy manao izay tiany”


  • Alatsinainy 03 Desambra 2018

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena somary mafimafy dia naneho ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao ka nilazany fa ao anatin`ny kihon-dalana lehibe i Madagasikara, indrindra amin`ny fanehoan`ny vahoaka ny fahefany amin`ny alalan`ny fifidianana.

 

 

 Mahakasika an`ireo izay minia manakorontana ka rehefa manohintohina ny tombontsoa ambonin`ny firenena dia tsy maintsy mandray andraikitra ny fitondram-panjakana. Betsaka ny mieritreritra fa izao ny fanararaotana, hoy ity filoha mpisolo toerana ity ka ohatra ny tany tsi misy fanjakana no heverina an`i Madagasikara. Raha tany Toamasina ny tenany dia nanao fanamarihana tamina olona enjehin`ny lalàna noho ny zavatra vitan`ity farany ity tamin` ny taona 2014 kanefa noraisina amin`ny fomba ofisialy tany amin` ny faritra misy azy. Mahasika ny fampirantiana sy fampidirana fitaovam-piadiana entina kandida iray kanefa nampidirana sy nampisehoana vahoaka mihitsy dia nametra-panontaniana ny filoha fa raha tsy lany io kandida io, atao inona ny fiataovam-piadiana io ? Nohamafisiny fa tsy maintsy mijoro ny fitondram-panjakana ary tsy hananan-kavana io satria ny politika no manimba ny firenena ka tsy ekena intsony. Nilaza hatrany izy fa tsy tetezamita izao ka samy manao izay tiany atao  ny rehetra fa misy  fanjakana eto Madagasikara ka manentana ny tsirairay hanaja lalàna. Nasiany teny ihany koa ny fifidianana izay hanomboka ny 4 desambra ny fampielezan-kevitra, ka mila hamafisina ny tsy fandaniana eo amin`ny sampandraharaham-panjakana. Ezahina mafy io, hoy ny filoham-panjakana, satria tsy mora izany. Manao antso avo an`ireo lehiben`ny sampandraharaham-panjakana ny tenany ary notsindriany fa ny lehibe no jeren`ny olona ary sasatra foana ny hiteny ny mpiara-miasa ambany raha ny lehibe no tsy mitandro ny fandaniana fa manao izay mampandeha ara-dalàna ny fifidianana. Mila hajaina koa ny safidim-bahoaka mba hisian`ny tena demokrasia, hoy hatrany ny fanazavana

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT