Politique

Mamofompofona korontana ny Malagasy Hihazakazaka hitrandraka harena ny vazaha


  • Sabotsy 11 Aogositra 2018

Mila mitandrina ny Malagasy amin’ny propagandy sy ny fiatrehana ny fifidianana fa raha vao mikorontana eo, dia ho faly ny vazaha dia hihazakazaka hitrandraka ny harena eto,

toy ny volamena sy ny vatosoa. Hitarazoka ny famahana ny krizy ary ho variana amin’izay ny rehetra. Ny bizina mandeha ihany ny an’ny menasofina, ary porofo nivaingana ny zava-niseho taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 izay nisian’ny fanondranana harem-pirenena be indrindra hatramin’ny nahazoana fahaleovantena. Nirarakopana ny fitrandrahana tsy ara-dalàna, ka mbola tarazon’izany no niseho taty amin’ny fanjakana HVM. Tena miady sisika eto ny vahiny, ary tsy takona hafenina ny fahasahiany miseho mivantana ho manohana ny kandida tiany izay tsy tongatonga ho azy. Tsy maimaimpoana ireny, fa misy ny fifanarahana avo lenta raha toa ka lany eo ny kandida tohanany. Raha tsy lany dia atao izay hahatafidirana ao anaty governemanta hahafahana manana fahefana amin’izay mba afaka manohy ny afera sy tetikasa niarahana tamin’ny mpamatsy ara-bola. Lesoka goavana ary mety hiteraka olana sy korontana lehibe io resa-bola io satria ahiana hanakorontana ireo lany vola kanefa tsy lany sady tsy omena seza.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT