Politique

Mamaky ady amin’ny TIM ny HVM


  • Talata 07 Jolay 2015

Tsy tokony hamitaka ny filoham-pirenena teo aloha Ravalomanana Marc sady filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara na TIM,

 

 

 hoy ny minisitra  Rivo Rakotovao, filohan’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara omaly, fa  rehefa  hanohitra ny fanjakana misy izy dia miala  ao  anatin’ny  governemanta  Ravelonarivo  Jean  ireo  minisitra avy any amin’ny antokony. Milaza ho miara-miasa  amin’ny  fitondrana ny antoko TIM  kanefa  mifidy  ny  fitsipaham-pitokisana ny governemantany  ny solombavambahoakany hoy hatrany ny filoha nasionalin’ny antoko HVM. Omaly  no nanao ny fivoriana  fanomanana ny fifidianana ben’ny tanàna teny  Antanimena ny HVM ka nandritra izany  fotoana izany no  nanambaran’ny  minisi-panjakana Rivo Rakotovao fa handray fepetra amin’ireo  mpanao  politika  mitsingilahila sy mamadika ny birao foiben’ny antoko. Momba  ny  fitakian’ny  Armada  ny fifidianana  filoham-pirenena alohan’ny  fotoana kosa dia nanambara  Rivo Rakotovao fa tokony  hiandry  ny  2018 Atoa Hajo Andrianainarivelo  izay nitondra io fitenenana io  satria efa nilatsaka hofidiana  izy  fa tsy lany ka tsy  tokony  hanakorontana intsony.Fanambarana ofisialy no nataon’ny filoha nasionalian’ny HVM omaly izay midika fa eken’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ihany koa iny, ary raha itarina ny resaka dia mazava izany fa vaky tanteraka ny ady eo amin’ny TIM sy ny HVM, ary mety hanaporofoana izany ny antsojay ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny orinasa Tiko izay fananan’Atoa Marc Ravalomanana.


Andry Ratovo  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT