Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy eto Madagasikara ankehitriny ireo teratany Malagasy monina any Frantsa sy Eoropa mivondrona eo anivon’ny fikambanana AIFM, tarihin-dRtoa Francine Ranaivo.
Nambaran’izy ireo fa miray hina tanteraka amin’ny mpiray tanindrazana aminy eto Madagasikara izy ireo amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao. Tsy misy na dia iray aza hanaiky ny hiverenan’i Madagasikara sy ny Malagasy amin’ny krizy sy ny fahamaizinana. Fotoana iray namelona ny fanentanan’ny Malagasy ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany sy faharoa iny. Betsaka anefa ny lesoka eo am-pelatanan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny hahatanteraka na tsia ny fanantenan’ny Malagasy ho any amin’ny fampandrosoana tena izy. Mangataka izahay Malagasy monina aty Frantsa sy Eoropa, hoy ireo mpikambana ny hamoahan’ny HCC ny voka-pifidianana tsy hampitondra mangidy ho an’ny Malagasy indray. Marina fa sarotra ny asa sahanin’ny HCC ary horaketina ho tantara ny andraikiny. Manana adidy ihany koa ny olom-pirenena hahatoky ny fahaiza-manaon’ny HCC eo amin’ny zony amin’ny fanokafana fahazavana mba ahafahan’ny vahoaka Malagasy mankasitraka fa nohajaina sy nomena lanja ny safidiny tamin’ny fifidianana. Nomarihin’izy ireo fa tsy nanaja ny asa nampandraiketina azy sy nandiso ny voka-pifidianana 2018 ny vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana (CENI). Na dia misy aza ireo fahadisoana tsy misy fanafany izay helohin’ny lalàna, nahavita nifandom-bera tamin’ny kandida naharesy tamin’ny fihodinana faharoa ny filohan’ny CENI tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika. Tsy azo ivalozana fa manana zo ny vahoaka ny hanarenana ny fahadisoana nataon’ny CENI. Zon’ny vahoaka ny hanajana amin’ny antsipirihany ny vato narotsany, hoy izy ireo. Izay rehetra nanodinkodina ny safidiny na nampiasa ny fomba rehetra nanodinkodinana azy dia mendrika ny homena sazy mifanaraka amin’ny fandikan-dalàna nataony. Mampahery ny Malagasy mpiray tanindrazana ireo Malagasy mipetraka any Frantsa sy Eorope, hoy ny AIMF. Manohana hatrany ny vahoaka Malagasy mitaky ny fahamarinana izyireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.