Tsy dia tokony hatao hahagaga loatra aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana sy nandalo krizy maro toy ny aty amintsika ny mahita olom-pirenena maro tsy mandraharaha ny raharaham-pireneny intsony, raha ny fanazavan’ny mpitandrina iray mandinika ny fizoran’izao tontolo izao any amin’ilay rafitra antsoina hoe « Nouvel ordre mondial ».
Araka ny fanazavany, tany an-dalam-pandrosoana no iharan’ny paikady antsoina hoe « Strategie de manipulation de masse » voalohany. Izany hoe fanasana atidoha faobe raha adika malalaka. Ao anatin’ny paikady ny fitadiavana hevitra tsy hisainan’ireo vahoaka afa-tsy ny fahasahiranany andavanandro, ny firesahana aminy toy ny amin-jazakely (enfantisation) ary ny fanabadoana faobe. Raha ny fanadihadiana natao tamina olom-pirenena sasany koa anefa dia ao ny milaza fa leon’ny fampanantenana paokatin’ireo mpanao politika sy ireo ra latsaka tsy nampiova na inona na inona tao anatin’ireo tolona nifanesy, izay nitarika fahantrana ho an’ny maro an’isa. Araka izany dia tompon’andraikitra voalohany teo amin’ny tsy fahombiazam-pirenena ireo mpanao politika saingy na aiza na aiza anefa firenena ka tsy mandray anjara betsaka amin’ny raharaham-pirenena ny mponina ao aminy dia tsy maintsy ilaozan’ny fandrosoana hatrany, araka ny nambaran’ilay filoha Amerikanina teo aloha izay.Ny mpitondra, ireo manampahefana no tokony mikaroka sy mampihatra ny paikady hampitambatra ny olom-pirenena, sy hampitoetra ao aminy ny fitiavan-tanindrazana ka hanosika azy hiasa sy ho mpandray anjara feno amin’ny fiainam-pirenena fa tsy mpitazana fotsiny na sanatria mpanara-drenirano.Tsy hisy ny fiombonana ary mbola mety hitombo isa hatrany ny olom-pirenena mihataka amin’ny fiainam-pirenena rehefa tsy mbola misy ny mpitondra manana an’io toetra io eto.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.