Politique

Malagasy Manarina Firenena « Andao hofaranana ny krizy ! »


  • Zoma 25 Mey 2018

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia 23 mey tetsy amin’ny hotely Saint Pierre Analakely ny fitsanganan’ny vovonana politika vaovao Malagasy Manarina Firenena (MMF).

 Maro ireo antoko politika, fikambanana, sendika mandrafitra azy ity toy ny Antoko miombona ezaka (AME), ny Leader fanilo elatra Zafera Antoine, ny Madagasikara mandroso ary ny Antso ho amin’ny Fanavotam-Pirenena (AFP). Tanjona, hoy izy ireo, ny hisiana fifidianana hialohavam-pandaminana mba hifarana hatreto amin’ity krizy andiany faha-6 ity ny krizy rehetra. Ilaina ny fampihavanana sy fandaminan-drafitra mba tsy hitondra olana indray ny fifidianana ho avy ka hanao lalàmpanorenana metimety aminy izay filoham-pirenena vaovao eo, hoy ny sekretera jeneraly, Faniry Razafimanantany. Tokony hisy lalàmpanorenana iombonana hivoaka aloha ary tsy miovaova isak’izay fitondrana misy. Io no hanombohana ny fanarenana dieny izao. Mila governemanta tsy miandany ka miangavy ny FFKM handray ny andraikiny hitarika ny diniky ny samy malagasy. Mikasika ny resaka fitakiana ny fialan’ny filoham-pirenena kosa dia niangavy ny HCC ny MMF mba hitsara araka ny lalàna misy sy hamoaka ny valin’izany anaty fotoana fohy. Andao hofaranana ny krizy, hoy hatrany izy ireo.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT